Saturday, September 21, 2013

Toby BANI : Miaramila niady sakafo, voatifitra ny iray

 21/09/2013 

Nifampitifitra izy roalahy izay samy mpiara-miasa eo anivon’ny toby BANI. Ny antony dia noho ny fiadivan-kanina. Tsy voafaritra mazava hoe sakafo inona no tena niadivany, ny fanadihadian’ny zandary rahateo vao manomboka. Afak’omaly maraina teo, raikitra ny fifamaliana aloha. Efa mazava ny antony. Saingy tsy nijanona teo fa noraisin’ny iray ny basy AKM ary notifiriny ilay namany. Voa teo amin’ny tongony io farany. Nifandrombahana ny basy teny an-tanan’ilay nahavanon-doza ary nosamborina avy hatrany ihany koa izy. Nentina tao amin’ny “Centre de Formation Spécialisée” (CFS) aloha ary notazomina tao, talohan’ny nanolorana azy ny biraon’ny zandary izay hanao fanadihadiana azy. Raha ny vaovao azo dia miaramila kilasy faharoa ilay nahavoa tamin’ny tifitra ary kilasy voalohany, izay hoe ambony grady noho izy ilay voatifitra. Io farany indray dia nentina tany amin’ny hopitaly akaiky indrindra ary mbola mitohy ny fitsaboana azy hatramin’ny omaly. Ady sakafo no nitarika fifampitifirana. Noana ve ireo miaramila sa kosa efa nisy disadisa teo amin’izy mirahalahy, hany ka raha vao tselatr’afo kely nirehitra dia nampiledaleda  avy hatrany ny tsy fifankahazoana? Mihodidina eo ny fanontaniana ka ny fanadihadian’ny zandary no hamaritra azy…
Didi R. Source Midi Madagascar

No comments: