Thursday, July 11, 2013

RN4 : Nandona ary nahafaty olona ny kortezin’ny prezidansa

Jeudi 11 juillet 2013

Hihazo an’andrenivohitra, avy any Mahajanga, ny tolakandron’ny talata teo, no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity. Teo afovoan’Ambondromamy sy Tsaramandroso, raha ny marimarina kokoa. Nifaoka ramatoa iray nitondra vohoka ny fiara “blindé” nitondra ny vadin’ny Filoha. Maty tsy tsa-drano io renim-pianakaviana io, raha araka ny vaovao marim-pototra azonay. Fantatra ihany koa fa nifandona tamin’ny fiara iray hafa indray, ny kortezin’ny prezidansa hatrany io, omaly hariva tetsy Ambatobe. Fiaram-panjakana no voadona. Raha ny fantatra dia tsy nohasarotina ny raharaha fa natao ny fifampiraharahana. Tsy nisy rahateo ny faharatrana na ny aina nafoy.  Mazava ho azy fa nisesisesy izany ny lozam-pifamoivoizana nahazo ny kortezin’Ambohitsorohitra. Loza roa tao anatin’ny roa andro! Misy hoeritreretin’ny tompon’andraikitra…
Source Midi Madagascar

No comments: