Friday, June 28, 2013

Mahajanga : Bajaj sy taxi ary posy, raikitra ny sakoroka


Raikitra ny sakoroka tao Mahajanga omaly, noho ny olana nisy teo amin’ny ireo mpampiasa ny Bajaj sy ny mpitondra taxi ary ny mpitarika posy. Ny antony dia tsy manaiky ireo mpitatitra sasany amin’ny fidiran’ny Bajaj amin’ny fitaterana olona ao Mahajanga, noho izy ireo lasa ankafizin’ny olona. Araka ny voalazan’ny tomponandraikitra ao an-toerana dia misy mpanao politika ao ambadik’ireto mpanao fihetsiketsehana ireto, ka mitady hanangana adim-poko. Efa voafaritra mazava mantsy ny lalàna mifehy ny fampiasana fitaovam-pitaterana, ary afaka manao izany daholo ny rehetra, rehefa manara-dalàna, toy ny fandoavan-ketra sy ny sisa. Tetika natao hanakorontanana ireny saingy tsy tanteraka fa voafehin’ny mpitandro filaminana, araka ny voalaza.


Bajaj vita sinoa : vidiny 950 $

Ahiana misy ambadika politika sy fanakorontanana ary fikasana hampirehitra adim-poko ity hetsika ity
Taorian’ny ity sakoroka ity dia fantatra izao fa efa misy maro ireo voasambotra.  Ny alakamisy lasa teo, tsy faly tamin’ny hamaroan’ny Bajaj miasa ao an-tanana ny mpitarika posy sy ny mpamily taxi koa dia nidina an-dalambe nanakana ireo mpitondra Bajaj. Araka ny fantatra dia nirongo zava-maranitra, kibay ary vato izy ireo. Ankoatra izany dia nosakanin’izy ireo tsy hiasa koa ireo posy sy ny taxi teny an-dalana fa hanampy azy ireo hirotaka. Nisy fito ireo Bajaj simba ary nisy mpamily naratra.
Nisy mpandeha posy naratra ihany koa vokatr’izany. Ny volana jolay 2012 no nanomboka niasa teto Mahajanga ny bajaj, 40 ny isan’izy ireo tamin’izay. Ankehitriny dia miisa 72 ny bajaj mitatitra olona eto Mahajanga, miisa 3360 ny posy ary 300 kosa ny taxi. Milaza ireo mpitarika posy fa tsy mahazo mpandeha mihitsy hatramin’ny nisian’ny bajaj ary zara raha mahafeno “versement” isan’andro izy ireo. Efa nisy ny fivoriana nihaonan’ireo mpitarika ny grevy sy ny mpitondra eto Mahajanga ny alakamisy io ihany, nitohy ny zoma tontolo andro, hitadiavana vahaolana eo amin’ity resaka bajaj sy ny posy ity.
Teo anatrehan’ny korontana, nivory ny OMC distrika eto Mahajanga, tao amin’ny biraon’ny faritra Boeny, ny zoma maraina. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy azo atao ny mampijanona ny fitaovam-pitaterana, izay miasa ho an’ny vahoaka. Nambaran’ny filohan’ny faritra Boeny Rasoloniaina Jean Christophe Noel mihitsy aza fa misy ambadika politika ity grevin’ny mpitarika posy sy ny mpamily taxi eto Mahajanga ity, ary ireo olona hilatsaka hofidiana avokoa no ambadik’izao raharaha izao. Tsy hanaiky ny fanakorontanana ny tanànan’i Mahajanga anefa izy ireo ka nampitandrina an’ireo mpitarika ny grevy.. Efa miditra amin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny eto Mahajanga izao, betsaka ny mpizaha tany. Hisy fiantraikany amin’ny zavatra maro ny korontana tahaka izao raha tsy misy vahaolana haingana, ary tsy ny mpitondra ihany no hizaka an’izany fa hatramin’ny mpivarotra madinika sy ny olona miaina amin’ny fitaterana ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny faritra Boeny hatrany fa malalaka ny fandraharahana eto Mahajanga ka tsy tokony hisy hifanavakavaka.

J.E. et A.R. de MIDI MADAGASCAR

No comments: