Friday, June 28, 2013

Ambatondrazaka : Nodoran’ny olona ny sono Jean Aimé


Tsy naharitra ny fijanonana kely vokatry ny tsy fetezana teo amin’ny fanamafisam-peo tamin’ny fampisehoana nataon’ilay mpanankato malaza Jean Aimé, ny mpijery fety tamin’ny faha-26 jona teo ,koa dia raikitra ny sakoroka. Niafara tamin’ny fandrobana sy ny fandoroana ny sônô, ny fiara ilay fampisehoana. Nandeha araka ny tokony  ho izy ny fandehan-javatra. Nisy tsy fetezana kely anefa avy eo ary dia izany no niandohan’ny sakoroka. Maro ny olona tsy nahatsiaro tena vokatry ny fifanjevoana tamin’io fotoana io. Misy ireo nandositra tany anaty tanimbary. Ilay mpanakanto aza moa raha tsy narovan’ny mpitandro filaminana dia tsy fantatra izay mety ho nahazo azy.

No comments: