Monday, October 29, 2012

“Tsy ho azo mandrakizay Remenabila fa politika avolenta io » ,


 Mankaiza avokoa ny omby an’arivony angalarin-dry Remenabila ireo ? –Misy ampahany aondrana any ivelany ; fa misy kosa ny ampahany, izay betsaka ihany koa, hamatsiana ny tsena anatiny, indrindra eto Antananarivo. Ankoatra izay dia ambaran’ny fikambanana Arofototse fa fanakorontanana efa voarindra  ny zavamisy any atsimo ankehitriny ary politika avo lenta. Toa izao ny fitantaran’Atoa Botomahefa, miaramila efa misotro ronono, avy any amin’iny faritra iny, ary mpikambana ao amin’ny Arofototse, izay nalefan’io fikambanana io hanao fanadihadiana nandritra ny 1 volana tany an-toerana:
 Mpanome baiko fotsiny Remenabila
Tena misy tokoa i Remenabila ary izy iny sary mivoaka tamin’ny Gazety rehetra iny. Anarana ody entin’ireo tafika miaraka aminy ao anatin’ilay fikambanana malaso mpangalatra omby io ny Remenabila. Ary io Rangahy Remenabila io dia nambarany fa tsy ho azo mandrakizay.  Efa mahatratra 67 taona izy izao, ka tsy mitari-tafika malaso intsony fa manome baiko fotsiny.  Olona fetsy i Remenabila, hoy izy, satria manararaotra ny fahalemen’ireo mpitandro filaminana manao « routine » fotsiny ny asany fa tsy dia herin’ny fanafody loatra. Patiraon’omby goavana no mampiasa azy, ka 1.500.000fmg isaky ny omby iray no hividianan’ireo aminy ny omby halatra, raha ny voalazany. Amidin’ny patiraon’omby manodidina ny 3.000.000 FMG ny omby iray avy eo ka ny elanelany ankoatra ny alain’ilay patrion’omby dia tsinjaraina amin’ireo ambaratongam-pahefana lalovan’ny omby, izay manaiky hiray tsikombakomba aminy: mpitandro filaminana, mpitsara, tomponandraiki-panjakana (izay manohitra kosa mety ho faty). Manaporofo izany ny fahitana ireo kamiao mitondra omby tsy misy manafika ; sy ny omby misy an’arivony entina miakatra nefa efa-dahy raha misy no mandroaka azy, tsy misy mangalatra. Nefa Taxibrousse mitondra mpandeha misy manafika.
Manao andiany 800 isaky ny mandeha
Nambarany fa tsara omana ny tetika rehetra ampiasain-dry Remenabila isaky ny manafika. Manao andiany hatrany amin’ny 800 izy ireo isaky ny mandeha ; mitondra basy mahery vaika sy ody (voalaza fa tandrok’omby kely no hitoerany). Ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy miaraka amin-dry Remenabila ireo dia voalazany fa tsy sitrapony no mandeha manaraka azy. Baboiny amin’ny faritra lalovany ireo vatan-dehilahy manomboka eo amin’ny 15 taona eo ho eo ka tereny hanaraka azy. Rehefa tsy mety mandeha dia vonoiny, ary raha mamaly, dia ampizogainy entana marobe mandeha an-tongotra. Tamin’ny fianakavian’i Botomahefa, dia vatan-dehilahy roa no lasan-dry Remenabila an-keriny ary efa niverina satria mody narary teny an-dalana, dia tsy nisy nilany azy intsony ka afaka namonjy fodiana. Raha ny fitantaran’ireo dia tsy mitifitra avy hatrany ny malaso rehefa manafika. Matetika ireo tompon’omby very ka entim-po noho ny fananany lasany no mamoy ny ainy ; ary ireo zandary maty dia matetika ireo mamita iraka ka entin-kafanam-po amin’ny asa. Ny zandary amin’iny faritra iny dia ambarany fa izay efa mahazo vola dia mody mitifitra nefa tsy mahavoa. Tamin’ny 30 septambra tao Tsivory izao, dia nolazain’Atoa Botomahefa fa  natrehiny ary hitany fa tsy mikendry ny malaso mihitsy ny balan’ireo zandary. Ny malaso ihany koa tsy mitifitra fa misy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta rehefa mielanelana 20 metatra eo ho eo ny mpanenjika sy ny malaso. Miteny ny malaso hoe mandehana ianareo miverina fa izahay tsy te hamono anareo. Dia misy ny omby, izay marefo (vavy bevohoka, madinika, ;..) averin- dry zareo amin’ny fokonolona. Dia mitarika mitsoaka ny zandary (izay nahazo vola) ; fa ireo tsy mahafantatra mifanandrina aminy dia vonoiny ; torak’izany koa ny tompon’omby marary amin’ny fananany lasa. Ireny ilay lazaina hoe omby naverina amin’ny tompony sy zandary na fokonolona maty voalaza ireny raha ny fanazavany.
Zavamisy ankehitriny
Misy ny fandoroana trano sy famonoana ataon’ny mpitandro filaminana ankehitriny any atsimo any. Nambaran’Atoa Botomahefa fa ireo trano doran’izy ireo dia trano tsy voasoratra ao anatin’ny kaominina fa any anaty alabe fandalovan’ny dahalo any. Ny basy sy ny bala ampiasain’ireo malaso ireo ihany koa dia tsy ao anatin’ireo ampiasain’ny mpitandro filaminana eto amintsika, raha ny fanadihadiana nataony. Nambaran’Atoa Monja, filohan’ny Arofototse, anefa fa misy tsy fanajana ny zon’olombelona ihany ataon’ireo mpampandry tany ireo satria maro ny zaza amam-behivavy sy ny antitra mitsoaka any anaty ala sy any an-tendrombohitra noho ny fampihorohoroana azy ireo. Marobe ny tsy manan-kialofana, tsy mihinan-kanina sy tsy misotro rano ary maty noho ny aretina sy ny hanohanana amin’ireo. Ny ankamaroan’ny vatan-dehilahy kosa, tondro molotra dia tifirin’ireo mpampandry tany tsy misy fanadihadiana akory, ka maro no mamoy ny ainy. Ary ireo trano dorana dia tsy misy fanadihadiana firy atao aminy fa dorana avy hatrany, trano fonenana, ary tifirina ny vatan-dehilahy ao an-tanana ka efa maro no mamoy ny ainy. Ilay vehivavy lazaina fa Tokanono iny ihany koa dia ambaran’izy ireo fa mpitsabo nentim-paharazana any an-tanàna any, satria na mpitsabo mpanampy aza tsy misy any amin’izy ireo. Araka izany dia fanakorontanana efa voarindra mihitsy ny zavamisy any atsimo ankehitriny ary politika avo lenta raha ny nambaran’izy ireo. Ny hany vahaolana omen’ny Arofototse dia ny fanafoanana ny varotra omby eran’ny Nosy sy ny fanondranana. Ho an’Atoa Monja Manitsindava dia ny famerenana ny dinan’ny fokonolona, satria ny lalàna mampirongatra ny halatra omby ary vao mainka mampangalatra ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana sy ny Ben’ny tanàna sy ny filohan’ny fokontany. 

No comments: