Tuesday, September 25, 2012

Nisy nitory : Mpitsara sy mpisolovava voarohirohy ho mpisipa


PDF Imprimer Envoyer
Mardi, 25 Septembre 2012 



Nitory ny vadin’ny iray tamin’izy ireo noho ny fampirafesana na « adultère », heloka izay mampigadra avy hatrany raha voamarin’ny vadintany. Efa ela no nandeha ny fitoriana izay nandeha tany amin’ny sehatra ambonimbony mihitsy, satria ao anatin’ny fikambanan’ny mpitsara izay fanta-daza loatra ilay voakasika. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy na ny fanadihadiana nisokatra akory aza. Maty momoka fotsiny ny fitoriana nataon’ny tompom-bady. Ankoatra ny fijangajangana anefa dia fantatra koa fa mbola misy fitoriana hafa nataon’ny olona hafa mihitsy indray, mahakasika io mpitsara mitovy io ihany. Tsy inona izany fa ny fampiasana seky tsy misy anto-bola (chèque sans provision). Izany dia natao mba hividianana tranon’olona, satria voalaza fa efa miara-mipetraka an-tsokosoko koa izy ireo. Nisy ampaham-bola nomena ny tompon’ny trano namidy ary nisy kosa ny seky izay rehefa nalaina tany amin’ny banky dia tsy nisy vola na ny ariary monja aza. Sarotra ho an’ireo voasoloky sy voarafy ny nitondra ny raharaha ho eo anivon’ny fitsarana. Nila fotoana mihitsy vao tena sahy nametraka ny fitoriana, satria toy ny atody miady amam-bato ihany. Miaro fanamparam-pahefana ny tranga toy izao, ankoatra ny fisolokiana sy fampirafesana izay miharihary. Fanontaniana tokony hipetraka ihany koa ny anton’ny tsy nisokafan’ny fanadihadiana taorian’ny fipetrahan’ny fitoriana. Misy ve ny kiantranoantrano sa kosa miandry ny fotoana maha-mety azy ny mpitsara vao hanokatra izany ?

No comments: