Saturday, April 14, 2012

Ramatoa nilomano tao amin’ny ranon’Anosy



Taitra ny olona izay nahita ary nitangorona ny mpandalo tamin’ny fahitana ity ramatoa efa lehibebe ihany toa mikoropadropaka eny afovoan’ny ranon’Anosy omaly tolakandro. Nisy ny tsy naharitra ka nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany hoe hampakatra azy an-tanety satria noheverina ho latsaka tao anaty rano izy dia tsy nahay nilomano ka tavela tao. Ilay ramatoa anefa toa tsy taitra akory fa toy ireny milalao rano ireny izy ery afovoan-drano fa ny olona indray no sahirana mahita azy. Fotoana fohy taorian’izany dia tonga teny ny mpamonjy voina nampakatra azy. Somary nanahirana ihany izany satria lavidavitra mihitsy no nisy ilay ramatoa. Saika tsy nety nandeha anefa izy kanjo inona tokoa fa nony tafakatra teny an-tanety izy dia nirintona lasa niverina niroboka tany anaty rano indray.
Nialàna fotsiny
Tsy hitan’ireo mpamonjy voina intsony izay nanaovana azy teo anatrehan’izany ka dia nialàna fotsiny sisa. Raha ny fanazavana azo mantsy dia tsy salama saina loatra ity ramatoa ity, izay tokony ho efapolo taona mahery eo. Fantatra ihany koa fa eo amin’ny manodidina an’Anosy eo ihany izy no mipetraka ka ireo havany sisa no nasaina nijerijery azy. Toy ireny ankizy milalao rano ireny ny fahitana azy ka tsy tsaroany intsony hoe rano maloto no irobohany.

No comments: