Thursday, April 26, 2012

Ankazomanaga : Notondrahany vary mahamay ny tareham-badiny

Jeudi, 26 Avril 2012 00:00 May tanteraka ny tarehan’ity lehilahy iray monina eny Ankazomanga noho ny zavatra nataon’ny vadiny azy. Tafaverina avy nijery rugby izy, izay no tena fialam-boliny. Raha vao niditra ny trano anefa izy dia nanontany azy ny vadiny raha efa naloany ny hofantrano na tsia. Ankevitry ny tsia no valiny. Tezitra tamin’izany ilay ramatoa ka avy hatrany dia notobasany tamin’ny vary sosoa mahamay ilay vadiny, teny amin’ny tarehany. Nitsovaka avy hatrany ny faritra voa. Teo no ho eo ihany dia tsy maintsy nentina tany amin’ny hopitaly izy ary mbola nahitana vary teny amin’ny takolany. Ilay vehivavy kosa, raha vao niseho izany zavatra izany dia lasa nandeha, araka ny loharaom-baovao voaray, ary hatramin’izao tsy mbola nody. Teo anatrehan’izany seho izany, tonga saina ilay lehilahy miheritreritra ny zanany ao an-trano ka nangataka ny hiala ny hopitaly na dia tsy mbola tsara tsabo azy ny feriny. Ankoatra izany, noho ny hamenarana dia voalaza fa nametraka fialana tao amin’ny toerana niasany izy. Marihina fa mpiambina no asany. Ny antony nialany ny hopitaly koa moa dia voalaza fa noho ny tsy fisian’ny vola.

No comments: