Monday, March 12, 2012

Mampiahiahy ny COSAFAM ny zava-nisy tamin’ny fihaonan’ireo solontena 5 tamin’ny Filoha sao tombontsoan’olom-bitsy no nojerena fa tsy…


Tsy mbola milamina araka izay nilazan’ny CEMGAM Ndriarijaona André azy ilay raharaha nitranga tetsy amin’ny CAPSAT Soanierana. Karazany nosarontsaromana fotsiny ihany ilay izy tamin’iny fotoana iny. Tsy niandry ela fa nanao fanambarana indray omaly ireto Cosafam ireto. Nilaza ny voafitaka mantsy ry zareo satria hatramin’ny androany dia tsy mbola nisy fandraketana an-tsoratra fa mbola am-bava fotsiny ihany ny zavatra nolazaina azy ireo tamin’ireny fihaonana ireny. Na ireo olona dimy izay nantsoina nihaona tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny fotoana nampangotraka ny fandehan-javatra tamin’ny herinandro ambony aza raha ny fanazavana dia “olona tsy nifampierana sy tsy nifanarahana akory fa olona notsongatsongaina tamin’ny fotoana nandehanan’ny rehetra nisakafo. Mampiahiahy anay ny zava-misy satria toa sarim-baiko hentitra avy amin’ireo olona dimy lahy nilaza ho solontena ka nihaona tamin’ny Filohan’ny FAT” hoy ny fanambarana.
Dia misy zavatra tsy mazava tao anatin’ny fihaonana, raha ny fanazavana, ka tsy hijanona amin’izao fa hanohy ny fitakiana indray ry zareo. “Mbola hitaky ny fampiharana ny lalana 096/029 izay efa fampanantenana nataon’i Andry Rajoelina ny COSAFAM. Voafitaka izahay satria tsy noraiketina an-tsoratra ilay izy. Volam-panjakana sy zavatra tokony haharitra anefa izany ka sao dia fampanantenana poakaty indray ny valin’ny fitakianay. Hanao hetsika izahay ho fitakiana an’io. Hetsika mety ho amin’ny fomba hafa kely ary ho henjakenjana kokoa noho ilay efa natao teo” hoy ny fanazavana azo. Tsy mbola nilaza ny daty anefa ry zareo. “Miandry kely fa tsy ho ela. Holazaina aminareo eo ihany ny tohiny sy ny daty ary ny toerana” hoy fotsiny ry zareo.
Raha nanontaniana ny nampangina azy ireo taorian’ireo fihaonana naharitra tamin’ireo tomponandraikitra fa tsy avy hatrany dia naneho ny tsy fanekeny ireto COSAFAM ireto dia nanambara fa “aminay miaramila rehefa miteny ny lehibe dia mangina saingy hita izao fa tsy mazava ny fandehan-javatra ary tsy hita izay akony”. Nomarihin’ity fanambarana nataon’ny COSAFAM ity fa “tsy marina velively ny filazana fa misy fivakisana eo amin’ny miaramila”. Dia asa indray aloha izany izay mety ho tohin’ity fandehan-javatra ity.

No comments: