Saturday, March 31, 2012

Anosy : Lehilahy nodomin’ny fiara sady voaendaka

Samedi, 31 Mars 2012

Raim-pianakaviana, manodidina ny 63 taona eo no nodomin’ny fiara tetsy Anosy afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teo. Voalaza fa tsy nisy jiro io fiara nandona azy io ary nandositra rehefa avy eo. Ilay raim-pianakaviana kosa tapaka ny tanany, ary vaky ny lohany. Rehefa izy nitsirara tamin’ny tany iny anefa dia mbola nisy andiana tovolahy indray tonga teo aminy ka nanararaotra nanendaka ny kirarony, ny finday ary ny vola rehetra teny aminy. Mpamily taxi sendra nandalo no mba nitsetra ity lehilahy ity ka nitondra azy notsaboina teny amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona. Ireo olon-dratsy kosa rehefa nahazo izay nilainy dia nandositra avy hatrany ka mandra-pahatongan’ny mpitandro filaminana dia efa nanjavona ry zalahy. Soa fa avotra soa aman-tsara ny ain’ilay raim-pianakaviana voadonan’ny fiara.

No comments: