Wednesday, March 28, 2012

Analakely - Lehilahy roa nendahin’ny jiolahy 15

Mercredi, 28 Mars 2012

Lehilahy miisa roa vaventy sady lava no sendra ny tsy nampoizina, ka voaendaka teny ankalamanjana.
Jiolahy manodidina ny 15 isa no indray nanendaka azy ireo. Teny Analakely no nisehoan’ izany, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany alina izy roa lahy ireto no nandalo teny an-toerana. Avy niasa izy ireo ary andeha hamonjy fodiana. Nisy olona maromaro anefa nitandrozotra niaraka tamin’ izy ireo, toy ireny tsy mifankahalala ireny. « Rehefa tonga teo amin’ ny faritra somary maizimaizina anefa, dia niara-nitolona azy roa lahy ireo olon-dratsy », hoy ny filazan’ ny renim-pianakaviana iray, havan’ny iray tamin’ ireo lehilahy lasibatra. Nambarany, fa « ny iray tamin’ireo havanay ireo, dia mpanao tolona ary lava ranjanana, kanefa tsy afa - nanao na inona na inona izy nandritra izany ». Lasibatr’ireo mpanendaka ny vola teny amin’izy ireo, ny finday sy ny sakaosy. Lasa nandositra nihazo ny lalana mankany Tsaralalana kosa ireo olon-dratsy taorian’izay. Ny mpitandro filaminana eny an-toerana, dia efa manao ny ezaka rehetra hanafoanana izay asa fanendahana eny Analakely izay. Efa maro ireo jiolahy tra-tehak’izy ireo. Mbola misy hatrany anefa ny vaovao ary manohy ny asa ratsiny hatra izy ireny.

No comments: