Monday, February 27, 2012

Fandroahana vazaha : Raikitra ny fifanenjehana

Lainga sy fanosoram-potaka ary fanalam-baraka avokoa ireny vaovao navoakan’ny sasany an-gazety ireny. Tsy nisy marina ny filazana, fa ilay vazaha antsoina hoe Eric Carré, mpandraharaha frantsay tompona hotely lehibe ao Mangily Ifaty Toliara dia mpanakorontana fiarahamonina sy mpampihorohoro vahoaka, hoy i Roberval Jeannot, mpitantana ny hotely Tongasoa ao Mangily Ifaty, kaominina Belalanda, distrika Toliara II no sady mpikambana ao amin’ny fikankevitra monisipaly ao amin’ity kaominina ity. Nohamafisiny raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tenany, fa “ tsy mpanao trafikana andramena sy taolam-paty ary rongony izany i Eric Carré fa mpanao asa soa, nahavita sekoly sy fotodrafitrasa maro tany an-toerana no sady mamy hoditra amin’ny vahoaka. Noharatsiana fotsiny izy fa mpanolan-jaza “. Ny marina araka ny filazan’i Roberval hatrany, dia “ te haka sy hangalatra ny fananan’i Eric izy, ka nanery an’ity farany tamin’ny fampiakarana ny hofan’ny tany isan-taona misy ny hotelin’ilay vazaha mirefy 1,5 ha nanomboka ny taona 2008 no nankaty “.

Fisolokiana. Neken’ilay teratany frantsay izany, ka nikaroka fomba hafa indray ilay voalazany fa mpisoloky amin’ny famafazana lainga maro samihafa tamin’ny solontenam-panjakana ary niray tsikombakomba tamin’ny manampahefana mihitsy mba hitadiavana ny fomba rehetra handroahan’ny fitondram-panjakana malagasy an’ity teratany frantsay ity eto Madagasikara. Nieritreritra angamba ity rangahibe tsy manaja tena ity, hoy hatrany izy nanohy ny fanazavany sady hentitra fa, “ holasany ny fananan’i Eric Carré satria mipetraka eo amin’ny taniny ny hotely lehibe. Tsy izany anefa no zava-nisy, fa nosoratan’ilay vazaha tamin’olon-kafa ny fananany “. Hatramin’izao, hoy Roberval hatrany, dia mbola tsy maty voalavo an-kibo i Louis Rakotovao ka mitory ahy indray. Nomarihiny fa efa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha ankehitriny, ka samy miandry ny valiny izy ireo.

No comments: