Wednesday, February 29, 2012

Bezaha : Hitory ny zandary ny « proviseur »-n’ny lycée

« Tsy avelako ho vita mora foana ny namonoan’i Lietnà Zandary avy ao Betioky Atsimo ahy ny 21 sy 22 febroary teo, tany Bezaha Toliara », hoy ny provizeran’ny Lycée any an-toerana, Atoa Constexte, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany. Araka ny fanazavany dia nosamborina zandary vololahy tao an-tranony izy, ny 21 febroary teo. Tamin’ny fanazavana nataony ihany no nahafantarana fa namoaka vaovao niendrika fanalam-baraka ny mpitandro filaminana tamina haino aman-jery ny tenany ka izany no antony nampanantsoana azy niampy ny feo niely teo an-tànana, fa nandrahona ho faty an’ity lietnà nidaroka vodim-basy azy sy nandaka ny foto-tsofiny sy ny lamosiny tamin’ny rangers izy. « Tsy nanala baraka mpitandro filaminana izany aho fa nilaza ny marina noho ny fakana vola 1,5 tapitrisa tamin’ny zanaka anabaviko, nataon’ny zandary ». Ny tena mampalahelo ahy anefa, hoy hatrany ity provizera ao Bezaha ity dia « ny tsy fanajana akory ny zon’olombelona sy ny lalàna misy amin’ny tany demokratika toa an’i Madagasikara ». Daroka sy vono no nitsena ahy sy nihatra tamiko raha vantany vao tonga tao amin’ny biraon’ny Zandary ny tenako, hoy izy. Manaraka fitsaboana ity provizera ity ankehitriny ary nilaza fa tsy hipetra-potsiny fa hitondra ny raharaha amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ary hanao tatitra amin’ny lehibeny isan’ambaratongany, mba hanokafana fanadihadiana lalina momba ny raharaha mafampana ao Bezaha.

No comments: