Wednesday, February 15, 2012

Ambohimandroso : Lehilahy novonoina, nozaraina roa ny filahiany

Ny vola nateriny efa lasan’ny tompony. Mbola novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ihany anefa izy.

Akory ny hatairan’ity olona iray naka kitay nahita fatin’olona tsy misy akanjo intsony ny tapany ambony tao amin’ny Alan’ny Riviera any Ambohimandroso. Rehefa afaka ny fahatairany, lasa haingana izy niantso ny mponina manodidina. Rehefa nojerena ny razana dia gaga daholo ny rehetra. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy tokony ho 40 taona ity. Ankoatra ny tapany ambony tsy misy akanjo, tsy hita teo intsony ny molotra ambony sy ambany fa toa ohatra ny nalana tamin’ny antsy. Nojerena taty amin’ny tapany ambany ka voamarik’ireo olona marobe fa nozaraina roa ny maha lehilahy azy. Mbola tamin’ny antsy ihany koa. hita fa noloarana ihany koa ny masony roa. Roa andro taorianan’ny nahitana ny fatiny, nisy vehivavy iray tonga nanatitra ny bisikiletany teo an-tanana. Rehefa nanontaniana ity ramatoa ity dia nilaza fa hitany teny amin’ny manodidina io bisikileta io.

Talohan’ny nahitana ny fatin’ity olona ity tamin’ny faha-25 janoary lasa teo dia fantatra fa nandeha nanatitra volan’olona no nialany tao an-tranony. Dia izay no nahitana azy farany. Voalazan’ny vaovao ihany koa fa efa avy nanatitra io vola io izy izao nisy namono izao. Tsy fantatra na tao anaty ala ihany no namitana ny ainy na tany amin’ny toeran-kafa ka rehefa avy eo dia natsipy fotsiny. Tsy fantatra araka izany na misy valifaty na lonilony hafa niteraka izao fahafatesana hafahafa izao.

No comments: