Friday, February 17, 2012

Alakamisy Anosiala Narodan'i Giovanna ny Trano mora



Efa manomboka manarina ireo trano mora 91 tamin'ireo 100 nirodana teny Alakamisy Anosiala ireo mpiasa 230 lahy eny an-toerana (Sary Mamy Maël)
Efa manomboka manarina ireo trano mora 91 tamin'ireo 100 nirodana teny Alakamisy Anosiala ireo mpiasa 230 lahy eny an-toerana (Sary Mamy Maël)
Nandrava trano mora vao naorina teny Alakamisy Anosiala ilay rivodoza Giovanna. Trano 91 tamin’ny zato no rava.
Nitondra takaitra vokatry ny fandalovan'ilay rivodoza « Giovanna » ny fiandohan'ny herinandro lasa teo ihany koa ireo trano mora vao naorina eny Alakamisy Anosiala. Saika nirodana vokatr'izany avokoa ny 91 tamin'ireo trano 100 efa nitsangana teny an-toerana. Ny rivotra mafy nentin'i Giovanna no niteraka izany faharavan'ny trano izany, araka ny filazan'ireo mpiasa nandrafitra ireo trano.
« Nirodana avokoa ny ankamaroan'ireo trano teto ny talata lasa teo. Ny tsy fahavitan'ny lalotra simenitra ny fanambonin'ireo trano efa vita mialohan'ny fananganana ny vovonana no nampianjera ireo trano 91 ireo. Ny alarobia teo ihany dia efa nanomboka nanarina izany taorian'ny fijerena ifotony ny zava-nisy niarahana tamin'ny tompon'andraikitra izahay », hoy Rajaonarivelo Jean Baptiste, tompon'andraikitra mitarika sy manara-maso ny asa fanamboarana.
Maty antoka
« Raha tombanana dia mahatratra hatrany amin'ny 68% ny fatiantoky ny orinasa nanoloana izao faharavan'ireo trano 91 ireo izao. Misy tsy azo ampiasaina intsony ho amin'ny fanarenana azy ireo mantsy ireo fitaovana sy akora sasany vokatry ny faharavan'ny trano ireo. Isan'izany ny biriky sy ny simenitra ary ny vy », hoy ihany ny tompon'andraikitra.
Amin'ny faran'ny volana marsa, araka ny fifanarahana, no heverina fa hahavitan'ny asa fanorenana ireo trano mora miisa zato vaovao eny Alakamisy Anosiala ireo. Manoloana ny loza voajanahary nihatra tamin'ireo trano vao naorina ireo anefa dia nisy ny fanalavaham-potoana 15 andro nomena ireo mpiasa mba hahavitan'ny fananganana ireo trano mora ireo.
« Mba ho fitsinjovana ireo mpiasa izay tsy main­tsy mbola hamerina indray ny asa fanorenan-trano efa nadiva ho vita dia nisy ny fifanarahana nataonay teo amin'ny mpampiasa mba ho fitsinjovana ireo vatan-dehilahy miisa 230 manatanteraka ny asa ireo », hoy hatrany Rajaonarivelo Jean Baptiste.
« Efa manomboka mandoa tsikelikely ny volany ankehitriny ireo olona 60 voafantina ka nividy ny trano mora eny Alakamisy Anosiala. Efa manomboka mikarakara ireo antontan-taratasy mahakasika ny trano sy ny tany amin'ny anaran'ireo olona nahazo izany koa izahay », hoy Andriamihamina Rija, tompon'andraikitra misahana ilay tetik'asa Trano mora.

No comments: