Friday, February 17, 2012

67 ha - Naboridana ilay vehivavy dia naolana sy nolerana ny antsy

Tovovavy iray 27 taona no niharan’ny herisetra feno habibiana, afakomaly tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Naboridan’ireo tsy mataho-tody izy, avy eo naolana ary taorian’izay dia nodarohana sy nohitsakitsahina.
Nolerana tamin’ny antsy ihany koa ny lamosiny ary natsipy tany anaty tatatra feno fotaka ny tenany avy eo. Ny mpitandro filaminana no nanatitra azy teny amin’ny hopitaly Hjra. Herisetra feno habibiana ! Izay no nihatra tamina tovovavy iray 27 taona, teny 67 ha.
Afakomaly tamin’ny 11 ora sy sasany alina no nisehoan’izany. Sendra tratra alina teny amin’ iny faritra iny ity tovovavy ity no nifanehatra tamina andian-tovolahy. Tsy namelan’ireto farany izy, fa nentin’izy ireo an-keriny tany amin’ ny toerana somary mangingina. Araka ny loharanom-baovao voaray, nisy tamin’ireo tovolahy ireo no nitazona ny tongony sy ny tanany. Ny hafa kosa nanala ny patalohany. Rehefa vitan’izy ireo ny filan-dratsiny, dia nanomboka taorian’izay ny fampijaliana natao tamin’ity tovovavy ity. Norovitin’ireo andian-tovolahy ny akanjony. Ny daka sy ny totohondry ary ny hitsaka manginy fotsiny nandritra izany. Nisy tamin’ireo nahavanon-doza ihany koa no nanindrona antsy azy mihitsy. Teo amin’ny faritry ny lamosiny no voatsatok’izany. Nobatain’izy ireo ity tovovavy ity nony avy eo, ka natsipiny tao anaty tatatra feno fotaka.
Natsipy tany an-tatatra
Nangina dia nangina ny toerana nisehoan’ izao fihetsika feno habibiana izao. Tsy nisy nahatsikaritra akory ny nianjeran’ilay vehivavy tao anatin’ilay lakandrano tamin’io fotoana io. Niakatra tao amin’ilay tatatra izy rehefa lasa elaela ireo olon-dratsy. Voalaza, fa nandadilady namonjy ny toerana misy ny Polisy eny 67 ha ny tenany taorian’ izay. Ireto farany no nandray ny andraikiny, ka nitondra ity vehivavy ity teny amin’ ny hopitaly avy hatrany. Nandritra ny fizahana natao azy, dia fantatra fa vaky noho ny daroka mafy nahazo azy ny havokavony. Mandra-pahatongany teny amin’ ny toeram-pitsaboana rahateo, dia nandoa ra hatrany izy. Voatery manaraka fitsaboana eny an-toerana ity tovovavy niharan’ny herisetra ity amin’izao fotoana izao. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ireo nahavanon-doza ka nahavita izao fampijalijaliana niharo famonoana sy fidarohana izao. Voalazan’ny loharanom-baovao, fa tsy nanendaka akory ireo andian-tovolahy ireo, fa nisotasota tamin’ity vehivavy ity tsotra izao fotsiny.

No comments: