Saturday, December 31, 2011

Voan’ody fitia: Tsy nahalala vady aman-janaka nandritra ny fito taona

Ilay vehivavy avokoa no mitazona ny volany sy mibaiko ary mampiasa azy.
‘’Izany tokoa ny hoe nody tsy nipataloha, fa kilaoty rovitra sy lobaka maloto no nentin’i Bernard nody ny tokantranonay’’, hoy Rtoa Gisèle vadiny. ‘’Efa mpivady nanomboka ny taona 2003 izahay’’ hoy ity Rtoa ity ‘’ka ny herinandro teo vao nody izy’’. Mpanao afera sy varo-mandeha no asan’i Be, ‘’nety ny fidiram-bolanay nandritra ny herintaona nefa vao nigadona ny faharoa taona nivadiana : nihodina rangahy ka na ny zanany aza tsy nahalala ny fisian-drainy akory’’. Vehivavy iray mpivaro-tena malaza amin’ny halatra sy fanodinkodinana vadin’olona irony materialista irony no niaraka tamin’i Rabe ary nanafina azy nanomboka ny taona 2004. ‘’Efa noheverinay maty na lasa adala izy, io tsy hita nandritra ny fito taona io ka niala nenina nanatona mpahita iray aho, satria olana maro ara-piainana no voavahan’izy ireny’’ hoy Rtoa Gisèle.

Voan’ody ratsy

‘’Noho ny lazany amin’ny fahitana ny zava-miafina sy fitaizana ny olona te hahomby eo amin’ny fiainana dia niantso ny 03429 02668 aho’’, hoy Rtoa Gisèle. Nambaran’io mpitaiza io tamin’ny fahitany fa ‘’ tazomina vehivavy milalao ody ratsy sy nafeniny any an-davaka vazimba ny akanjo sy ny sarin’i Bernard, ka tsy afa-miala ao an-tranony fa manompo azy Rabe. Ilay vehivavy avokoa no mitazona ny volany sy mibaiko ary mampiasa azy. Noho ny fahaizana sy ny hery manokana ananan’io mpitaiza io ny herinandro teo dia nody namonjy ny tokantranony ary nifona fa tsy hanao izany intsony ’’ ny vadiko. Vao telo andro kosa izay no nanatitra ny akanjo sy ny volan’i Bernard 5 tapitrisa ariary tavela tany aminy ilay vehivavy nitazona azy nandritra ny taona maro.

No comments: