Wednesday, November 23, 2011

Olona 13 no efa voasolokin’ilay vehivavy

Olona miisa hatrany amin’ny 13 no efa voasolokiny. Kinga tokoa ity vehivavy ity amin’ny resaka handrobohany ireo olona mihaino azy. Tsy fantatra hoe avy aiza izy fa niantrano tamin’olona tsara sitra-po teto an-drenivohitra. Dia tao no nanomboka ny fandrebirebena nataony. Ireo olona nampiantrano azy no voany voalohany. Milaza izy fa mahavita sy mahazo ny zom-pirenena frantsay, afaka mampiditra mpiasa amin’ny orinasa iray atao hoe DELMAS any Marseilles-Frantsa hanao ny asa fandokoana sy “ponçage” sambo lehibe iray, mampiditra ho miaramila frantsay na “légionnaire”, ary manana « carte résident » tsy misy fetrany na koa voafetra ho an’ireo olona mila izany. Volabe tokoa no nalainy tamin’izany satria mahatratra 600 000 ariary ka hatramin’ny 2 000 000 ariary no lazainy fa vidin’ireto taratasy ireto. 52 taona ity mpisoloky ity.

No comments: