Friday, November 11, 2011

Mme Noelah : Miaina miaraka amin’ny zazavavin-drano

Mpamantatra ny ho avy sy mpitsabo fanta-daza i Mme Noelah etsy amin’ny 67ha, ary voalaza fa avy amin’ny zazavavin-drano any amina farihy iray any atsimo atsinanan’ny Nosy iny no manome hery azy ahafahany manao izany asany izany. Isaky ny volana may izy no midina any amin’io toerana io mba hahafahany mifandray mivantana amin’ireo zazavavin-drano ireo sy mampitombo ny hery hoentiny miasa. Mandritra ny fotoana ifandraisany amin’ireo zazavavin-drano ireo dia miaina miaraka amin’izy ireo any anaty rano mandritra ny telo andro izy. Ary aorian’izay dia mitombo hatrany ny fahaizany sy ny heriny. Efa betsaka ny nahazo fahasoavana tamin’i Mme Noelah, ka raha ny tamin’ity taona ity fotsiny dia vehivavy efa natao ho tsy hiteraka 47 no nahazo zaza noho ny fitsaboana nataony, ka 52 taona no zokiny indrindra tamin’izany. Betsaka ihany koa ireo olona mitady vady sy nitady harena tonga tao aminy no nahazo fahasoavana. Saika tsaboin’i Mme Noelah avokoa na aretina tsy mety sitrana, na mosavy, na olan-tokantrano na olam-pitiavana. Ankoatra ny fitsaboana, afaka mahita fiara sy olona very ihany koa ity mpitsabo ity. Raha ny faminaniana rehetra navoakany dia saika tanteraka avokoa, raha tsy hiteny afa tsy ny loza nitranga tany Soanierana Ivongo fotsiny. Na ny teratany na ny vahiny dia saika tonga manatona an’i Mme Noelah avokoa.

No comments: