Saturday, November 26, 2011

Ikongo : « Dina hentitra », Ampanjaka enina nosamborina

Tamin’ny alarobia lasa teo, tokony ho tany amin’ny 2 ora tolakandro, tonga nisambotra Ampanjaka miisa enina tany Ikongo ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo Reg. Avy hatrany izy ireo dia nentina any Manakara. Araka ny loharanom-baovao, nosamborina izy ireo satria anisan’ny tomponandraikitra amin’ny fampiharana ilay atao hoe « Dina hentitra ». Ity dina ity dia mihatra amin’ireo olona voarohirohy amin’ny halatra taolam-paty. Raha ny marina, entina miady amin’ireo mpamaky fasana sy maka ny taolam-balon’ny razana anatin’ireny fasana ireny. Voalaza anefa fa tsy mifanaraka amin’ny làlana misy eto amintsika ny fampiharana ity dina ity. Izay no antony voalaza fa nisamborana azy ireo. Ireo olona nosamborina ireo dia Mpanjaka lehibe ny iray, mpanjaka tsotra ny roa ary andriambe ny telo. Eo anoloan’izany zavatra izany, manambara ny alahelony ny mponina any an-toerana ary mangataka amin’ny fitondrana mba hijery akaiky ity zavatra ity. Etsy andaniny, mafana dia mafana ny ady hatrehin’ny olona amin’ny halatra taolam-paty nefa dia tsy mbola fantatra mazava mihitsy hatramin’izao izay mividy sy maniraka ireny mpamaky fasana ireny.

No comments: