Thursday, October 06, 2011

Tsy hanaiky ny Kaomisera Rakotonjanahary Fidèle « Raha tonga eo izay olona hisolo ahy dia ady no dikan’izay »

Nolazainy fa “ultimatum” no nahatonga ny “décision” ka aminy tsy “normal” izany.
Hitohy hatrany ny hetsika ataon'ny polisy eny Mahamasina raha tsy mahazo valiny mahafaha-po izy ireo mikasika ny famindran-toeran'ny kaomisera Rakotonjanahary Fidèle izay lehiben'io kaomisaria io dia ny hanafoanana io “décision” io izay tsy inona fa ny taratasy famindra-toerana ny tenany. Nolazain'ity kaomisera ity fa tsy hanaiky io famindran-toerana io ny tenany satria tsy “normal” ny taratasy azony mikasika izany. Nolazainy fa “ultimatum” no nahatonga ny “décision” ka aminy tsy “normal” izany. Raha misy io “décision” io, hoy ihany izy, dia tokony ho miaraka amin'izany koa ny taratasy manondro ny toerana hafa omena azy. Manarak'izany dia nanamafy ny tenany fa tsy nanao fahadisoana mikasika ny asa iandraiketany fa taratasy fankasitrahana aza no azony. Nanampiany ny fanazavany ny hoe tokony hatao “régime normal” io famindran-toerana io fa raha ao anatin'izao savoritaka izao tsy manaiky izy hoe izao no afindra toerana. Nolazainy mihitsy fa tsy hanaiky izy raha tonga eo ilay olona hisolo azy fa ady no dikan'izay.

Banderôle anankiroa

Nisy tokoa mantsy ny “banderôle” anankiroa teo an-tokontanin'ny kaomisaria teny Mahamasina omaly izay manambara ny tsy fankasitrahany ny “chargé de mission” ao amin'ny polisy, izay nolazainy fa mitsabatsabaka amin'ny asa iandraiketan'izy ireo eo anivon'ny kaomisaria, ka nahatonga azy ireo hanao izao hetsika izao, izay manao hoe : “Esory haingana chargé de solelaka Mahay “CM” fa hivaky ka hifamotika tanteraka izahay”.”Atoa Filohan'ny HAT ô!vonjeo!vonjeo!vonjeo! izahay fa diso tafahoatra loatra ny fanaparapahefan'Ingahy ministranay!!!2è TSUNAMIE NON!”. Raha ny momba ilay hoe sazy miandry azy indray dia nolazainy fa “efa misy ny fitsipika mifehy ny polisy hoe tsy mahazo manao grevy ka tsy grevy no nataonay fa fanehoan-kevitra mba ahafantarana ny zavatra hitarainanay”. Ny vavahady fotsiny koa no mihidy fa mandeha daholo ny asan'ny polisy ao Mahamasina.

No comments: