Tuesday, October 04, 2011

Trafika-na vatosoa : Misy CST voarohirohy

Ny fiaran'ny manam-pahefana no entina hitaterana ireo vato sarobidy.

Araka ny fanazavana nomen'ny tomponandraikitra eo anivon'ny mpitandro filaminana dia misy mpikambana avy ao amin'ny CST (Filan-kevitra Ambonin'ny Tetezamita) avy ao amin'ny faritra Vakinakaratra sy Matsiatra Ambony voarohirohy amin'ity raharaha fanondranana an-tsokosoko vatosoa ity. Taorian'ny fivoriana natao ny 28 septambra lasa teo, mba hiadiana amin'ny fanondranana vato sarobidy, dia nisy ny fepetra noraisina ka nisy ny fanaraha-maso natao tamin'ny lalam-pirenenena faha-7 iny. Nahitam-bokany izany hetsika natao izany, satria ny 8 septambra lasa teo dia “tourmaline” 10 kg tsy misy taratasy ara-dalàna no saron'ny mpitandro filaminana. Ny 15 septambra kosa dia 17 kilao no sarona. Mbola niampy izany ka 300 kg indray no tratra ny 2 oktobra lasa teo, ary ny alin'ny alahady farany teo dia vato tsy ara-dalàna hatrany amin'ny 5 taonina any no tratra tao amina tokantrano teny Ivandry sy 67 ha. Fantatra fa fiara an'ny manampahefana ao amin'ny CST no itateran'ireo mpanondrana an-tsokosoko ireo vato sarobidy.

Teratany Guineana 6 hafa, ankoatra ireo manam-pahefana ireo, no voarohirohy amin'ity raharaha ity. omaly moa no natolotra ny Fitsarana tany Antsirabe ireto teratany afrikana ireto, ary efa nisy ihany koa taratasy fampiantsoana nalefa any amin'ireo manam-pahefana voarohirohy.

Manoloana ity fampiasana fiaram-panjakana amin'ny fanondranana vatosoa an-tsokosoko ity dia nanapa-kevitra ny mpitandro filaminana fa manomboka izao dia tsy maintsy hosavaina daholo ny fiara rehetra na an'iza izy na an'iza, ka raha misy manao fanararaotana, na olona tsy manam-pahefana mampiasa ireny fiara ireny, dia hisy ny fanasaziana hatao azy ireny.

No comments: