Tuesday, October 18, 2011

Mme Noelah “voyante”: « Fambara fa hisy olo-be ho faty ilay masoandro voahodidina avana »

Mardi, 18 Octobre 2011 00:00
Manana ny ambarany mikasika ilay zava-niseho tany amin’ny lanitra nahagaga ny rehetra iny i Mme Noelah, izay “voyante” etsy amin’ny 67ha.

“Arakarak’ilay faritra nisehoany ny dikan’iny masoandro voahodidina avana hitantisika tamin’ny zoma lasa teo iny. Any amin’ny faritra sasany ohatra dia midika ireny fa hisy Ampanjaka na olobe ho faty. Tsy voatery ho fambara ratsy foana anefa fa mety ho filazana fahasoavana ihany koa. Amin’ny toerana sasany indray mantsy dia midika ireny fa hisy fahasoavana lehibe ho azon’ny mponina ao amin’ilay faritra, indrindra raha any amin’ny faritra tsy misy ranomasina ilay izy. Ohatra hoe ho tsara ny vokatra; tsy hisy ny tondra-drano sy ny loza voa-janahary hafa. Misy koa anefa, amin’ny toerana eto amintsika sasany, amin’ny fotoana itrangan’ny zavatra toy ireny no fanaovan’ny olona valifaty, na koa famonoana olona. Misy mihitsy aza ny mahavita mandatsa-baratra amin’ny fahavalony amin’iny fotoana iny.”

Raha tsiahivina dia nisy avana nanodidina ny masoandro ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora. Naharitra teo amin’ny ora iray teo izany, ary faritra maro no nahita azy teto Madagasikara.

Ankoatra ny maha “voyante” an’i Mme Noelah dia mpitsabo sy mpitaiza ihany koa izy. Maro ny olona efa nahazo fahasoavana taminy, toy ny olona izay tsy miteraka ka nahazo zaza. Tao ihany koa ny malemy nefa sitrana soa aman-tsara. Eny fa na hatramin’ny fiara sy olona very aza dia hitan’i mme Noelah avokoa.

No comments: