Tuesday, October 11, 2011

Ambatondrazaka : Mpandraharaha nandraraka vola avy eny ambony helikopitera

Horakora-pifaliana ny an’ny vahoaka, samy nifandrombaka haka ny vola nanidina avy eny ambony. Nisy ny dimy arivo ariary, nisy ny iray alina ariary tamin’izany, ary kotaba sy fifanosehana no tamin’ny toerana sasany satria sady mandeha manidina ilay fiara manana elatra no mandraraka hatrany . Tsy fantatra mazava ny tokony ho totalin’ilay vola nalatsaka fa tao anatin’ny fotoana vitsy monja dia nijanona dia iny no tsy tazana ilay fiara. Helikoptera somary kelikely an’irony mpandraharaha manana ny maha izy azy aty Alaotra sy manerana ny nosy io nanaparitaka vola io. Araka ny nambaran’ny fokonolona tao amin’ny tanana nandatsahany ilay vola dia hoy izy ireo : « mbola ho avy izahay amin’ny faran’ny volana », samy niandry ny mponina anefa tsy mbola tonga ilay fiara hatramin’izao. Matetika manao asa soa ao amin’ity tanana ity ilay mpandraharaha , ary fantatra fa izy mihitsy no teny ambony helikopitera nandrotsaka ireo volabe ireo. Samy naminavina ny rehetra hoe ohatrinona no nalatsany, ao ny nilaza hoe 5 hetsy ariary, ao ny nilaza ho iray tapitrisa tany ho any iny ...Tao amin’ny tanana atao hoe Ambohimanga Station Alaotra distrikan’Ambatondrazaka no nisehoan’izany ny faramparan’ny volana aogositra 2011 lasa teo ny atoandro. Miandry ny fandatsahana manaraka ny vahoaka, asa na mbola hisy izany na tsy hisy intsony

No comments: