Tuesday, October 18, 2011

Ambatondrazaka : Lehilahy fandrihana amina ankizy vavy tsy ampy taona, mandoa vola 3 tapitrisa

Mardi, 18 Octobre 2011 00:00

Fomba fiady hafakely indray ny hivarotan’ny ray amandreny sasany ny zanany vavy aty Ambatondrazaka.Tovovavy 13 taona sy 14 taona ary 15 taona aloha no fantatra hatreto ho miray tsikombakomba amin’ny reniny, ireo manana toe-batana vaventy ka maha-sadaikatra ny mpijery. Manaiky kaotin’ny lehilahy manambola iray na olona mandalo amin’ny tanàna ilay tovovavy tsy ampy taona, rehefa vita ny fifampiresahana dia mifanao fotoana amin’ilay ankizivavy ilay lehilahy, ka ilay tovovavy mihitsy no mandamina ny fotoana rehetra. Roboka ilay lehilahy tsy mahafantatra na inona na inona manana ny filan-dratsiny. Rehefa tonga any amin’ny tranon’ny namany izy ireo dia manaiky atao amin’izay hanaovana azy ilay ankizivavy. Tampoka eo anefa no indro ny ray aman-drenin’ilay vehivavy mitady azy ao amin’ilay toerana, ka sady mivoaka ilay zanany vavy no mody mitomany, ilay ray aman-dreny kosa mitabataba an’ilay lehilahy nitondra ny zanany ary dia mampiakatra ny raharaha any amin’ny mpitandro ny filaminana ary dia mazava ho azy fa voatana ilay lehilahy. Raikitra ny fifonana sy ny raharaham-piavanana, satria ilay zaza mihitsy no lasa mody miaro an'ilay rangahy nitondra azy, dia ilay reny no mametra hoe “Tsy hanaiky izahay raha tsy omena 3 tapitrisa ariary “. Tsy maintsy mandoa raha tsy te higadra e …, satria efa voaomana fa olona manan-katao no hojonoina, ary tsy manao fifanarahana eo imason’ny mpitandro ny filaminana izy ireo fa any an-kafa mba hanafenana ny tetika. Tovovavy 3 aloha hatramin’izao no efa fantatra fa manao izany ary 2 na 3 tapitrisa foana no takian’ny ray amandreniny ,ary matetika miakatra eny amin’ny mpitandro ny filaminana, ka io hatrany no fomba ataony. Mailo ireo mpitandro ny filaminana ka nandray ny andraikitra avy hatrany, satria mateti-pitranga ilay izy . Noraisina ho mpiray tsikombakomba na ny zanany na ny reniny ka vaky bantsilana ny raharaha .Araka ny fanazavana voaray tany amin’ny polisim-pirenena dia hentitra ny fanaraha-maso ary tsy handefitra izy ireo amin’izao asa ratsy mahamenatra izao. Nanambara mihitsy ny kaomisera, Atoa Rambeloson Patrice, fa fandikan-dalana izao tetidratsy izao. Hisy ihany koa ny fisavana ireo hotely izay mampiditra zaza tsy ampy taona sy ireo hotely tsy ara-dalana mampanofa trano hitondrana vehivavy, na ampy na tsy ampy taona.

No comments: