Friday, September 23, 2011

Trano mora Sakana ny fanokafana kaontim-bola

Tsy maharisika ny olona amin'ilay trano mora satria mila kaontim-bola any amin'ny banky.



Tsy dia mahasarika ny olona firy indray ilay tetik'asa Trano mora. Ny tsy maintsy hananana kaontim-bola any amin'ny banky no fototry ny olana.
Tsy afa-manoatra. Sakana iray lehibe mahatonga ny olona liana te-hividy trano mora ankehitriny ny fanomanana ireo antontan-taratasy hanokafana kaontim-bola any amin'ny banky. Maro loatra ny zavatra takiana sy tsy maintsy iaretana ary karakaraina amin'izany eny anivon'ny banky ka mampi- hemotra azy ireo.

« Zavatra maro no tsy maintsy atao raha te-hahazo trano mora. Ankoatran'ireo antontan-taratasy tsy maintsy karakaraina dia tsy maintsy manokatra kaontim-bola vaovao any amin'ny banky mba hahazoana vola hividianana izany. Tsy moramora anefa ny manatanteraka izany satria mila antoka sy mila manangona ny karama tsy banga mandritra ny herintaona ao amin'izany kaontim-bola vaovao izany vao afaka hampindram-bola ny banky », hoy Ranorolalao Haja, renim-pianakaviana tapa-kevitra fa tsy hividy trano mora indray noho ny fahasahiranany.

« Ilay resaka kaontim-bola any amin'ny banky no olana amiko ka nahatonga ahy tsy hividy trano mora indray. Rehefa atao mantsy ny kajikajy dia mitotaly ho avo roa henin'ny vidin'ny trano ny vola tsy maintsy atokana amin'izany. Tsy avy dia azonao anefa ilay trano fa mbola atao antsapaka indray », hoy kosa Rasolofo- harivelo Patrick, vao avy nanorin-tokantrano.

« Ireo olona manontany fanazavana aloha no mbola betsaka amin'izao. Misalasala be amin'ilay resaka kaontim-bola any amin'ny banky ny olona.» raha ny fanamarihana nataon'ny tompon'andraikitra ao amin'ny minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana.

Vao iray monja

Raha nanohy ny fanazavany izy dia nanambara fa «mbola vao antontan-taratasy feno iray monja izao no mbola voarainay nanomboka tamin’ny herinandro lasa hatramin’ny omaly».

Nanambara koa ity tompon’anraikitra ity fa «mba hisian'ny antoka bebe kokoa sy mba hitohizan'ny tetik'asa trano mora manaraka no ilàna taratasy fanamarinana fananana kaontim-bola any amin'ny banky», hoy ny fanampim-panazavana avy amin'ny minisitera manoloana izany.

No comments: