Tuesday, September 27, 2011

Mme Noelah voyante : « Mbola hihamafy ny krizy ! »

« Tsy arakaraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao sy ny fampanantenana ataon’ny mpanao politika, sy ny fahavitan’ny fanaovan-tsonia ilay tondrozotra, fa vao mainka hihamafy ny krizy eto amintsika », hoy ny voalazan’i Mme Noelah (voyante), omaly, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. Betsaka ny zavatra fantatr’ity Voyante ity saingy tsy mbola azony tenenina aloha raha ny voalazany ihany. Ankoatra ny fananany hery manokana afaka manana faminaniana sy fahitana dia manasitrana olona marary sy manampy ny olona manana olana ihany koa i Mme Noelah. Ao amin’ny tranony, etsy amin’ny 67 Ha, no anaovany fizahana ary saika isan’andro izy dia mandray olona foana. Azo atao tsara ihany koa anefa ny maka fotoana mialoha ny ahatogavana any (033.13.090.13 – 034.61.928.62). Ny herinandro lasa teo dia lehilahy iray izay voalaza fa azon’ody ka notazonina vehivavy nandritra ny 5 volana no tafaverina soa aman-tsara tany amin’ny vady aman-janany rehefa avy nentina tao amin’i Mme Noelah. Tovolahy iray hafa, 27 taona, no nositraniny raha nisy zavatra nivonto be tao amin’ny kibony ary efa tsy sitran’ny dokotera intsony. Vao nandalo iray andro monja tao aminy ity tovolahy ity dia sitrana soa aman-tsara.

Raha tsiahivina dia i Mme Noelah no nahita mialoha fa hisy loza hiseho amina mpanao politika. Tamin’izay fotoana izay dia nahita izy fa misy mpanao politika 17 ao anaty vilany tany ary misy afo mijoalajoala eo akaikiny, rendrika anaty rano ireo ka ny orony sisa miseho. Niarahana nahita herinandro monja taorian’izay ny loza nitranga tany Soanierana Ivongo ireny.

No comments: