Sunday, May 01, 2011

Fangalarana « 4x4 » - Dimy vavy no atidoha nikotrika


Nahitam - bokany ny fikarohana nataon ’ ny Polisy, momba ilay fiara « 4x4 Mitsubishi L 200 », very nanomboka ny 31 marsa lasa teo. Olona miisa fito mianadahy no voarohirohy tamin ’ izao halatra bevava izao. Natolotra ny Fampanoavana omaly ny raharaha, ka naiditra am - ponja vonjimaika izy ireo Tamin’ ny alalan’ ny kara - panondro hosoka no nentin’ ireo vehivavy miisa roa mpianaka, nangalarana ilay fiara « 4x4 Mitsubishi L 200 », tany Toamasina ny 31 marsa lasa teo. Araka ny vaovao azo avy amin’ ny Polisim - pirenena, dia dimy vavy izy ireo no atidoha nikotrika izao halatra fiara izao ary samy niaiky ny heloka vitany, nandritra ny famotorana natao azy ireo. Raha tsiahivina, tamin’ io andro io, dia nalain’ ireo vehivavy roa mpianaka tany Toamasina nofaina ilay fiara ary nolazaina fa hoentina aty Antananarivo mandritra ny roa andro. Kara - panondrom - pirenena hosoka amin’ ny anaran’ olon - kafa anefa no nampiasain’ ny zanak’ ilay ramatoa nomena ny tompon’ ny fiara. Nandritra ny famotorana natao, dia samy niaiky izy dimy vavy ireto, fa nokasain’ izy ireo hamidy ilay « 4x4 Mitsubishi L 200 ». Ireo roa lahy hafa voasambotra kosa dia nilaza, fa tsy mahafantatra na inona na inona momba izao raharaha izao. Ny iray tamin’ izy ireo nasaina nitady « parking » mba hametrahana ilay « 4x4 ». Ny faharoa kosa, dia mpanao aferana fiara, ka nikasa hivarotra ilay izy. Antony iray mbola tsy nahalafosan’ izy ireo izany anefa, ny tsy fananan’ izy ireo ny taratasin’ ilay fiara, satria tavela any Toamasina izany.
Nomamoina ilay mpamily
Rehefa hiditra an’ Antananarivo ary teo am - pahatongavana tao amin’ ny trano fandraisam - bahiny iray eny Anosibe, toerana nivantanan’ izy mianaka ireto, dia nomamoin’ izy ireo tamin’ ny toaka ilay mpamily. Mamo tampona tamin’ izany ity farany, ka tsy nahare izay ambonin’ ny tany. Rehefa taitra tamin’ ny torimasony anefa izy, vao ankona tanteraka, fa tsy hita intsony ilay fiara sy ireo mpanofa. Nanatona avy hatrany ny Polisin’ ny « Bc » etsy Anosy izy ary teo no nanomboka natao ny fikarohana. Ny tovovavy iray mpiasa tao amin’ ilay tompona fiara taloha no voasambotra voalohany tany Toamasina. Izy io indray avy eo no nanonona ny anaran’ ny vehivavy iray monina eny Ampitatafika.
Raikitra ny kitondrotondro, ka niafara tany amin’ ilay ramatoa sy ny zanany naka ilay fiara tany Toamasina izany. Nanomboka ny 22 ka hatramin’ ny 27 avrily lasa teo no nahasamborana azy ireo. Natolotra ny Fitsarana omaly ny raharaha, ka nalefa vonjimaika eny am - ponja izy ireo.

No comments: