Thursday, May 05, 2011

Aretin - tsaina sa fahazaran - dratsy ? - Ankizilahy nanolana zaza miisa 16



Ankizilahy iray 15 taona malaza ratsy amin ’ ny resaka fanolanana zaza tsy ampy taona no saron ’ ny mpitandro filaminana ao Ambatondrazaka. Efa nahatratra 16 ireo zazavavikely naolany ary nitondra faisana tamin ’ izany ireo latsaky ny 7 taona.Saron’ ny Polisim - pirenena ny ankizilahy iray vao 15 taona monja, nikoizana tamin’ ny fanolanan - jaza tsy ampy taona, tany an - dRenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro. Nambarany nandritra ny fanadihadiana natao azy, fa efa nahatratra 16 ireo zazavavikely voaolany hatramin’ izao ary latsaky ny 7 taona avokoa izy ireo. Efa filan - dratsy ao aminy mihitsy izany, ka vantany vao mahita zazavavikely izy, indrindra fa ireny somary dongadonga ireny, dia ny hanolana ihany no tonga ao an - tsainy. Tamin’ ity indray mitoraka ity moa, dia tra - tehaka nanolana zaza efa - taona ity ankizilahy ity. Nobedainy ilay zaza ary nanamparany ny filan - dratsiny avy eo. Fantatra, fa simba tanteraka ity farany, na dia afaka niantso vonjy tamin’ ny manodidina ihany aza. Nambaran’ ity ankizilahy ity nandritra ny fanadihadiana nataon’ ny Polisim - pirenena taminy ihany koa, fa « efa mahazatra azy ny manatanteraka fihetsika mamoafady toy izao, ka na vao 15 taona aza izy, diatsy misalasala kely akory rehefa manao izany ». Somary nofosana rahateo ity zazalahy nahavanon - doza ity, ka tsy afa - mihetsika sy manohitra azy hatrany ireo ankizivavikely lasibany. Tato ho ato, dia tsikaritra fa matetika itrangana fanolanan - jaza toy izao any amin’ iny Alaotra iny. Zary lasa henatra sy fahafaham - baraka ho an’ ny Faritra izany, ka tokony hitadiavam - bahaolana sy handraisana fepetra.

No comments: