Wednesday, May 11, 2011

Antsiranana - Lycée Français : Hanao fihetsiketsehana an-dalambe androany

Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny « asemblé français de l’Etranger » amin’ny fanakatonana ireo lycée français sasantsasany eto Madagasikara, toy ny any Fianarantsoa, ary ny famindrana ny mpianatra avy amin’ny faritra ho any amin’ny lycée Français Antananarivo dia hanao fitokonana ary hilahatra eny an-dalambe ireo fikambanan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ato amin’ny lycée Français eto Antsiranana anio. Ny tolakandro no hanaovana izany , hanomboka eo amin’ny lycée Français rue Sadi Carnot hatrany amin’ny consulat de France eto Antsiranana. Hatao izany ho fanairana ny masoivohon’i frantsa eto Madagasikara amin’ny tsy fankatoavan’izy ireo ny fanakatonana ny lycée Français sy ny famindrana ireo mpianatra ho any Antananarivo. Nanambara izy ireo fa ny fanakantonana ireo sekoly ireo dia mampitomba vola lany amin’ny fanamboarana ny toerana handraisana ny mpianatra any amin’ny 2.565.000 Euro ary mampitombo ny vola lanin’ireo mpampianatra ao amin’ny « Agence pour l’Enseignant Français à l’Etranger). Mandritra io filaharam-be io dia samy hanao fanamiana fotsy ambony sy mainty ambany avokoa ireo mpampianatra, ny mpianatra ary ny ray amandreny. Ny taratasy nalefan’izy ireo tamin’ny ray amandrenin’ny mpianatra no nahafantarana izany niampy ny fampilazana nataon’ireo mpampianatra tamin’ny mpanao gazety.

No comments: