Tuesday, May 10, 2011

Anosibe : Rasta niady tanaty bar, maty ny iray

Ny vazivazy rehefa tafahoatra loatra dia miteraka fahasorenana ary miafara amin’ny ady mihitsy

Tamin’ny alahady hariva tokony ho tany amin’ny 6 ora sy sasany, nanao fotoana hisotrosotro tany amin’ny bar ireto rasta roalahy mpinamana. Tamin’ny voalohany, nandeha tsara ny resaka. Rehefa somary niakatra anefa ny daozy, niakatra ihany koa ny feo. Niakatra ny hatezerana. Sangisangy no nihandohan’izany. Nifampisintona volo teo izy roalahy, araka ny loharanom-baovao voaray. Teo, tsy nahatanty anefa ny iray ka namely daka ilay namany. Tany amin’ny maha lehilahy azy no niantefa ilay daka. Nitangolika ilay voa ary toa nianjera tamin’ny tany. Tsy nijanona teo ilay namely fa voalaza fa nanitsaka ihany koa. Faritra maro no voa. Torana mihitsy ilay iray ary nianjera tamin’ny tany. Nisy nahita ny adin’izy roalahy ka lasa niantso ny vadin’ilay voa. Rehefa tonga teo ilay ramatoa, ka namelombelona ny vadiny dia nanomboka nahatsiaro tena ilay lehilahy. Afaka nitsangana nandeha nody. Rehefa tonga tany an-trano anefa, nitaraina ho marary ilay lehilahy. Tsy naharitra fa nojeren’ny vadiny. Akory ny hatairan’ilay vehivavy nahita fa nandeha rà be ny filahian’ilay vadiny. Teo izy vao nikoropaka ary dia tapaka ny hevitra ny hitondra azy any amin’ny hopitaly. Rehefa tonga tany anefa na dia nanao izay ho afany aza ny mpitsabo dia tsy tana ny ain’ilay naratra. Ny loharanom-baovao teny amin’ny trano fitsaboana no nahafantarana fa mangana be mihitsy ny tandrifin’ny voan’ilay maty. Mety avy amin’izany no nitarika ny fahafatesany.

Omaly dia efa nosamborina ilay namany nahavanona ny loza. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Misokatra ny fanadihadiana.

No comments: