Tuesday, May 17, 2011

Ankatso: Nipoaka ny grenady. Raikitra ny fifandonana teo amin' ny mpianatra sy ny miaramila


Raha nanontaniana ireo mpianatra navoaka dia nilaza ho tsy mahalala izay antony sy izay hatao na haleha.
Nitohy omaly ny fihetsiketsehan'ny mpianatra eny Ankatso izay nivoaka ny vavahadin'Ambohitsaina omaly. Vokatr'izay, nipoaka ny grenady, raikitra ny fifandonana teo amin'ny mpianatra sy ny miaramila. Andro faharoa tamin'ny hetsiky ny mpianatra tamin'ity herinandro ity ny omaly io, izay miditra amin'ny dingana mafanafana kokoa.
Fa mialoha an'ity fivoahana sy fidinana an'arabe ity, mbola nisy aloha ny « meeting » nataon'ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana ireo. Noravan'ireto farany ireo mbola nianatra tany an-dakilasy ary navoakan'izy ireo. Ireo mpianatra ho mpitsabo, izany hoe mpianatry ny « Médecine » ireto navoaka ireto. Taorian'izay, nivoaka ny vavahady ireo mpanao fihetsiketsehana ireo ary nidina teny amin'ny arabe misy ny fiantsonan'ny bus. Ireo mpitandro ny filaminana avy amin'ny EMMOREG kosa efa niandry azy ireo teny ambany ary efa mivonona. Naharitra elaela ny fifanatrehana teo amin'ny roa tonta, izay niafara tamin'ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso mba ho fanaparitahana ireo mpianatra.

Mivadika ny rasa

Marihina fa ny Fakiolten'ny « Médecine » no anisan'ny toeram-pianarana efa mianatra amin'izao fotoana izao nanomboka ny namoahan'ny minisiteran'ny Fampianarana Ambony ny datin'ny fidirana. Izy ireo anefa no anisan'ny nitarika voalohany ny fihetsiketsehana teny Ankatso teo aloha teo mba ho fitakiana ny fanombohan'ny fampianarana. Ireo mpianatra navoaka kosa raha nanontaniana dia milaza fa tsy mahalala izay antony namoahana azy ireo sy izay hatao na haleha. Hatreto aloha izany, tsy misy fampianarana vanona. Eo ireo mpampianatra isan’ny mafana fo ao amin’ny Seces izay tsy manaiky mihitsy. Ankilany, ity fihetsiketsehan’ny mpianatra izay manana ny fitakiany ihany koa.

No comments: