Tuesday, May 17, 2011

ACV : Fikambanan'ireo mpitia sy mpiompy alika eto Vakinankaratra


Ny taona 2009 no niorenan'ny fikambanan'ireo mpitia sy mpiompy alika eto Vakinankaratra na ny ACV (Association des Cynophiles du Vakinankaratra).Mahatratra 18 ny isan'ireo mpikambana ary misy karazan'alika avo razana miisa 9 an'ny fikambanana.Natao indrindra hijerena ny fanatsarana ny karazan'alika sy hisian'ny fiseraserana eo amin'ny samy mpitia alika ny ACV raha ny nambaran'ny filohany Yves Randriamampandry,eo ihany koa ny fanaovan'ny mpikambana asa soa ho fanampiana ny olona sahirana eto Antsirabe sy ny manodidina.
Hetsika goavana
Fantatra nandritra ny resaka nifanaovan'ny mpikambana tamin'ny mpanao gazety teto an-toerana ny tolakandron'ny alahady lasa teo fa hisy hetsika goavana hokarakarain'ny ACV ny 12 jona 2011 ho avy izao izay hatao ao amin'ny lycée privé Saint Joseph Antsirabe.Hisy ny fifaninanana hatsaran-tarehy eo amin'ny alika sy ny fahafehezana mibaiko izany alika izany mandritra io andro io.Anisan'ny fantatra fa handray anjara amin'io hetsika io ireo mpitia sy mpiompy alika avy any Antananarivo sy ny toerana hafa, izany hoe fifaninanana ho an'ny mpiompy alika manerana ny Nosy ity hataon'ny ACV ity.
Ho an'Antsirabe manokana, ahitàna Dog Allemand,Dog de Bordeaux,Am staff,Rot weiller,Malinois,Boerboel,Matin de Naples,Dog Argentin ,Dog Anglais,sang mêlé ary Coton de Tuléar ireo karazan'alika misy ary mety ho hita mandritra io fifaninanana io.
"Alika,namana mahatoky ny olombelona",io no teny filamatry ny fikambanan'ny ACV.

No comments: