Thursday, April 07, 2011

Tandremo ny rafivavinao...

Tovovavy iray mbola mpianatra no maty novonoin ’ ny rafivaviny, ny sabotsy hariva lasa teo. Tratran ’ ity farany nampiaraka tamin ’ ny vadiny no nahatonga izany. Misokatra ny fanadihadiana momba izao hala - bady niafara tamin ’ ny famonoan ’ olona izao.Tsy namelan'ny ramatoa vadina miaramila Serzà, ny tovovavy iray nisakaiza tamin’ ny andefimandriny raha tsy tapitra ny ainy. Ny sabotsy lasa teo no niseho tao an - dRenivohitr’ i Fianarantsoa izao tranga izao. Tokony ho tamin’ ny roa ora tolakandro no nalain’ ilay Miaramila tao an - tranony ao Anosy Isada ity tovovavy sakaizany ity. Teny ambony môtô nandeha nitsangantsangana izy roa no hitan’ ny tompom - bady. Tsy nahatsindry ny fony intsony ity farany, ka nanara - dia azy ireo tany amin’ izay toerana nombany ary efa teny am - pelatanany tamin’ izany ny antsy. Vao tratrany izy roa dia nolerany tamin’ ny antsy teo amin’ ny tenda sy ny fihirifany ilay tovovavy 20 taona. Niezaka nanohitra ny vadiny, izay misoratra aminy ilay Miaramila saingy tsy nahatohitra azy. Naratra mafy tamin’ izany ilay lasibatra ary nentina namonjy toeram - pitsaboana avy hatrany. Efa be loatra anefa ny ra very teny an - dalana, ka nihareraka ilay tovovavy ary nitrosona teny amin’ ny arabe. Niampy indray ny fahavoazany taorian’ izay, satria niendakendaka ny hodi - damosiny. Tsy tonga tany amin’ ny hopitaly akory dia tapitra ny ainy.
Niara - niory ny Miaramila
Nanoloana ny zava - niseho amin’ ny maha - mpinamana sy mpiara - miasa dia naneho fiaraha - miory tamin’ ny fianakavian’ ny maty ny toby niasan’ ity Serzà ity. Ny talata lasa teo no natao ny fandevenana ary nandray an - tanana ny fikarakarana izany ilay Miaramila. Tetsy andaniny, ny fianakavian’ ilay tovovavy dia nanamafy, fa « tsy hanaiky mora foana io vonoan’ olona io ». Ny Polisy ao Fianarantsoa no mandray an - tanana izao raharaha izao. Raha ny vaovao voaray, tsy mbola voasambotra ilay nahavanon - doza. Araka ny fampitam - baovao azo, 20 taona ity tovovavy maty ity ary mbola mianatra amin’ ny sekoly tsy miankina iray ao Fianarantsoa. Nandritra ny telo taona no nisakaizany tamin’ ilay Miaramila. Efa fantany, fa manambady ara - dalàna io olon - tiany io fa tsy nahasakana azy izany. Ilay vadina miaramila ihany koa mahafantatra ny fiarahan’ izy ireo an - tsokosoko.

No comments: