Monday, April 11, 2011

Kaomina Imerimandroso - Zazavavy 12 taona naolan ’ ny Ben ’ ny tanàna

Tapa - bolana lasa izay no naiditra am - ponja vonjimaika ny Ben ’ ny tanànan ’ Imerimandroso. Voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona ny tenany.
Naiditra eny Antanimora ny Ben’ ny tanànan’ Imerimandroso, tapa - bolana lasa izay. Ankizivavy iray vao 12 taona no naolany tamin’ izany. Hafahafa ihany ity raharaha ity, satria araka ny fanangonam - baovao dia nofitahin - dreniny io zaza io hanatona an’ ilay Ben’ ny tanàna. Tsy nanam - po na inona na inona ilay lasibatra amin’ ny maha zaza azy. Nony nihaona tamin’ ilay olom - boafidy anefa izy dia nanamparany ny filàny ara - nofo. Andro vitsy taty aoriana dia niely ny feo ary noho ny alahelon’ ireo mpiasan’ ny Kaomina ity zaza ity, dia nanoro hevitra azy izy ireo, ny amin’ ny tokony hametrahana fitoriana noho izao herisetra mianjady aminy izao.
Jamban ’ ny vola
« Misy fifandraisana akaiky ny renin’ ity zaza ity sy ilay nanolana. Io ramatoa io dia nirahin’ ilay olom - boafidy hitady vehivavy ho azy. Hitan’ ity farany ny tontalim - bola omeny ireo vehivavy ireo. Nalaim - panahy izy nony farany, ka ilay zanany no nampirisihany », hoy ny olona iray monina ao amin’ io Kaomina io. Taty aoriana anefa dia nametraka fitoriana ny renin’ ilay zaza. Miendrika fivarotan - janaka izao fanazavana ny zava - misy izao, satria ny reniny mihitsy no voatonontonona ho naniraka an - janany izay tsy nahalala na inona na inona. Tsy nampoizin’ ny iray tanàna ny zava - bitan’ ity olom - boafidy ity. Natao ho Raiamandreny ho fitaratra ny tenany, nefa nahavita heloka toy izao.

No comments: