Tuesday, March 29, 2011

Amiraly Ratsiraka: Sambany tao amin'ny Magro ! Niantso ny tanora mba hitsangana



Fampitan-kafatra io nataony io, hafatra ho an’ny tanora mba hitsangana amin'izay handray ny andraikiny..
Iray amin’izay nanamarika manokana ny fankalazana ny fahatsiarovana ny faha 64 taonan’ ny tolom-panafahana tamin'ny 1947 ny nidiran’ny Amiraly tamin’ny antso an-tariby mivantana avy any Paris tao amin’ny Magro Behoririka izay nivorian'ny Ankolafy telo, omaly tolakandro. Sambany izay ! Ny nanaitra ny rehetra dia tsy nanao teny firy izy raha vao tafiditra fa avy dia nihira ilay hiram-pitolonan'ny MDRM « Madagasikara Tanindrazanay ». Noventesiny avokoa ny andiny roa sy ilay fiverenana manao hoe : « Mitsangana ry tanora, mitsangana ka aza manana ahiahy ... Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy ». Heverina fa tsy ny hampidera feo manga no nanaovany an’izany (izy rahateo koa moa efa zokinjokiny ihany ka somary garagara feo) fa azo ambara tsotra hoe fampitan-kafatra io nataony io, hafatra ho an’ny tanora mba hitsangana amin'izay handray ny andraikiny. Taorian’izay izy vao naneho firarian-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy tsivakivolo.
Taorian’ny nametrahana fehezam-boninkazo teny Ambohijatovo moa dia nirohotra nihazo ny kianjan'ny Magro Behoririka ny rehetra. Tao anatin'ny filaminana tanteraka no nisehoan'izany rehetra izany, tsy nanelingelina azy ireo rahateo ihany koa ny mpitandro filaminan'ny Emmo-Reg izay vory marobe teny fa dia nanara-maso teny amin'ny manodidina fotsiny.

No comments: