Sunday, February 06, 2011

Misy toerana vao nahitana volamena indray


Ny faramparany fantatra dia nanodidina an'i Firavahana amin'iny Ankazobe iny.
Misy toerana vao nahitan'olona volamena indray amin'iny faritra Alaotra iny. Eo anelanelan'ny tanàna antsoina hoe Andreba sy Antokazo no misy azy io, ary ao anatin'ny distrikan'Ambatondrazaka, araka ny fitantaran'ireo nilaza fa nahita izany. Efa misy tonga eto Antananarivo sahady ny sasany amin'ireo mpitrandraka amin'izao fotoana izao mba hivarotra ny azony, ary volamena amin'ny takelaka fa tsy vovony akory. Mbola vao haingana no nahitana izany toerana fitrandrahana volamena izany fa nanomboka tamin'ity taona ity vao tena fantatra ny fisiany. Mbola olona vitsy ihany koa no tonga ao amin'io toerana fitrandrahana io satria tsy dia miely loatra ny momba azy ity. Toy ny faritra rehetra nahitana harena ambanin'ny tany manerana ny Nosy ihany anefa izy ity, na vatosoa io, na volamena, na taiza na taiza dia niteraka firohotan'olona tonga mifindra monina amin'izy ireny. Ny faramparany fantatra dia nanodidina an'i Firavahana amin'iny Ankazobe iny.

Fifindra-monina

Raha tena voamarina tokoa ny fisian'ny volamena amin'ireo tanàna manodidina an'Andreba sy Antokazo ireo ary miely amin'ny faritra hafa ny vaovao momba azy io dia azo inoana fa hiteraka fifindra-monina vetivety indray amin'iny faritra Alaotra iny. Misy ihany koa mampifandray izao fandehanan'ny olona mitrandraka volamena izao amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra ankehitriny. Sahirana ny mponina nefa tsy misy ny ivelomana dia voatery mitady zavatra hafa hahazoana vola ny olona toy ity fitrandrahana volamena ity. Misy, ohatra, mpanao saribao nefa tsy misy intsony ny ala na hazo hanaovana izany, dia lasa manao ity asa fitadiavana ity ihany koa.

No comments: