Monday, January 31, 2011

Ankizivavikely miisa telo no tsy hita popoka hatramin ’ izao.

Ny zoma lasa teo izy ireo no niala tao an - tranony, nirahina nandeha naka anana tany an - tsaha, kanefa tany dia tsy niverina intsony. Tany Anteza Mandrosoa any Talatan ’ i Volonondry no nisehoan ’ izany.

Malaza ho misy mpaka ra sy mpangalatra taovan ’ olombelona rahateo any amin ’ ity toerana ity amin ’ izao fotoana izao.Mirongatra indray ny resaka hala - jaza any amin’ ireo faritra somary mivoaka kely ny Renivohitra. Ny tena mampihoron - koditra amin’ izany, dia ny filazana fa anaovan’ ireo olona tsy mataho - tody sorona ireny zaza angalariny ireny.

Ny zoma lasa teo izao, dia ankizivavikely miisa telo be izao no indray tsy hita. 13 taona no zokiny indrindra, sivy ny faharoa ary fito taona kosa ny farany. Tany amin’ ny tanàna iray antsoina hoe : Anteza Mandrosoa no nisehoan’ izany, izay 10 km miala an’ i Talatan’ i Volonondry. Araka ny voalazan’ ny loharanom - baovao iray avy any an - toerana, dia zanak’ olona samihafa izy telo vavy ireto, saingy mpiray vodirindrina. Nirahin’ ny ray aman - dreniny nandeha naka anana tany an - tsaha ny iray tamin’ izy ireo tamin’ io fotoana io, ka amin’ ny mahampinamana sy ny amin’ ny maha - zaza azy ireo, dia niaraka izy telo vavy. Nony elaela anefa, dia gaga ireo tao an - trano, fa hoe « taraiky be any an - tsaha ireo zaza ».

Noheverin’ ireo olon - dehibe fa nilalao an - dalana ireo ankizy, ka mbola tsy niraika tamin’ ny fikarohana izy ireo. Rehefa nanomboka maizina anefa ny andro vao nikoropaka. Nokarohin’ ireo ray aman - dreny niaraka tamin’ ny fokonolona tany an - tsaha izy telo vavy, kanefa tsy hita popoka izay nisy azy hatramin’ izao. Araka izany, tsy fantatra marina izay nahazo ireto zaza ireto, na nisy nangalatra tokoa na nandeha nivily lalana. Nilaza kosa anefa ny lehilahy iray monina any an - toerana, fa « amin’ izao fotoana izao dia malaza ho misy mpaka ra sy mpangalatra taovan’ olombelona ety aminay ». Ho fantatra miandalana ny mety ho fahamarinan’ izany na tsia.

Raha ny zava - niseho teny amin’ iny faritra Ambohidratrimo iny aloha, dia tena nampiteny ny moana mihitsy, satria zazavavikely fito taona no novonoina saika natao sorona, ny alahady 16 janoary lasa teo. Tamin’ ny fotoana nahitana azy, dia efa tsy nisy tanana sy taova intsony ny razana. Ny atidoha nikotrika ny famonoana ity zazavavy farany ity kosa, dia efa eny am - ponja amin’ izao fotoana izao.

No comments: