Monday, November 01, 2010

Tsena Mora

Nisy pôlisy voatsindry sy voahitsakitsaka tao anaty olona mihitsy,araka ny fitantaran’ny mpilahatra tsena mora sasany nanatri-maso.
Lasa natao ho an’ny be sandry, na ho an’izay mahalala olona ve sisa no niafaran’ilay « tsena mora » natao ho an’ny sahirana sy ny zokiolona. Raikitra ny rombo tamin’ireo toeram-pivarotana sasantsasany teto Andrenivohitra ny asabotsy teo. Tsy fantatra intsony ny tena filaharana fa olona mitangorongorona no tazana tamin’ireo « tsena mora » nitrangan’olana sy korontana. Anisan’ireo nahitana toy izany ohatra ny teny Avaratetezana, ao anatin’ny boriborintany faha-6, toy izany koa ny teny amin’ny fokontany Manakambahiny, ao anatin’ny boriborintany faha-2. Ny tompon’andraikitra ve no tsy nahay nandamina sa ny olona mihitsy no efa te hikorontana ? Nisy pôlisy voatsindry sy voahitsakitsaka tao anaty olona mihitsy, araka ny fitantaran’ny olona sasany nanatri-maso.
Tapakila
Nisy pôlisy ihany niandry tamin’ireny tsena mora ireny fa mbola nikorontana ihany. Raha ny marina dia izay mahazo tapakila na « ticket » no mahazo mividy entana amin’izany. Teo amin’io fizarana tapakila io no toa nisy lesoka araka ny fanazavan’ireo olona sasany nanontaniana. Tao ny nilaza fa tarabe ny fizarana tapakila, na koa izay olona fantampantatry ny mpizara ihany no mahazo tapakila. Vokatr’izany dia raikitra ny fifanosehana sy ny tabataba ary ny fampiasana sandry. Re aza fa nisy tovolahy vitsivitsy tamin’ny toerana iray nisy tsena mora nahitana korontana no noraofin’ny kamiaon’ny mpitandro ny filaminana nentiny nanaraka azy any. Nomarihin’ny olona sasany fa vao mangiran-dratsy no efa nisy nilahatra izy ireo, ary tao no efa tonga tamin’ny 4 ora maraina kanefa ny harivaben’io asabotsy io dia mbola nahitana olona milahatra ihany tamin’ireny tsena mora ireny, ary mbola nitohy izany omaly alahady. Herinandro taorian’ny nisokafan’ity tsena mora nataon’ny Filohan’ny Fitondrana ankehitriny hoe hamonjena ny sahirana ity dia izao no zavatra mitranga ka asa na mba hisy lamina vaovao hipetraka ho fanatsarana izany.

No comments: