Tuesday, August 10, 2010

Milamina tanteraka ny tanana

« Tsy ny dahalo intsony no fahavalonay aty amin'ny fokontany Ankilimary, fa ireo zandary milaza hanao ny asany. » Io no fitarainan'Atoa Mananjao dit Remana, mpanana omby monina ao amin'ny fokontany Ankilimary, kaominina Ianakafy, distrika Betroka. Ny talata 27 jolay teo mantsy dia lasibatr'ireto zandary 19 avy amin'ny kaompanian'i Betsoka ireo olona niandry faty tao amin'io fokontany io. Nirefotra ny basy ary raikitra ny savakaratra. Rava ny fiandrasam-paty satria dia vaky nandrosika ny olona rehetra. Ny antony dia satria hono mitady ny zanak'ity Remana ity, izay antsoina hoe Rolland ry zareo. Ity farany moa dia voalaza fa tsy nanao ratsy ka tsy fantatra izay antony itadiavana azy. Rehefa tsy tao i Rolland dia ny rainy no tratra tao ary dia nanome fotoana an'ity farany moa ireto zandary ireto hifanazava any Betroka ny alahady. Rehefa tonga tany Betroka anefa i Remana sy ny vadiny dia tsy tonga tany ny zandary. Niverina tany Ankilimary ireto zandary tamin'io alahady io nanararaotra ny tsy maha tao an'i Remana mivady. Nampalahelo ny zava-nitranga fa dia nidiran'ireto zandrary tsy misy « Mandat » ny trano. Nanjavona ny vola 20 tapitrisa ariary, volamena 4 boaty ary volafotsy mitentina 4 tapitrisa ariary. Lasa mbamin'ny bokin'omby.

Baiko hitifitra? Araka ny voalazan'ireto zandary ireto, hoy ny fitantaran'Atoa Remana mivady, dia nahazo baiko hitifitra izy ireo raha toa ka tsy manaiky izay lazainy sy takiany izy ireo. Araka ny voalazan'ny mpitantara ihany dia novakin'ireto mpitandro ny filaminana avy amin'ny kaompanian'ny zandarimariam-pirenena any Betroka ny « pare-brise » n'ny fiarakoadia roa izay fanana'izy mivady. Simba daholo ireo fanaka vaovao tao an-trano. Ny « coffre » ny sy ilay vola be moa dia natsipy teny antokotany. Amin'izao fotoana izao dia eto andrenivohitra i Remana mivady. Nihaona tamin'ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny zandarimariam-pirenena. Fihaonana izay nahafahan'izy ireo nitaraina tamin'ny zavatra nitranga tamin'izy ireo. Araka ny fantatra dia mety hatao eto antananarivo na any Betroka ny fampifanantrehana eo amin'izy ireo sy ny lehiben'ny zandary any antoerana, mba hahafantarana ny tena marina. Nilaza moa i Remana mivady sy ny ben'ny tanàna ao Beapombo II, Atoa Andriamanato Jean Fihavana, fa dia lasa mpampihorohoro ny zandary any amin'izy ireo.

No comments: