Thursday, March 25, 2010

Air Madagascar : resaka fotaka indray omaly

Nivoaka ny lalana tokony handehanany ny fiaramanidina an'ny Cie Air Madagasikara omaly tokony teo amin'ny 8 ora sy sasany alina teo tany Nosi-Be. Avy aty Antananarivo izy io, nandalo Diégo ary nipetraka tao Nosi-Be. Ny manampahaizana amin'ny fifamoivoizana an'anakabaka nampita ny vaovao dia nilaza maraina fa noho ny tsy faham-pian'ny fahitana no nahatonga izao fahasahiranana izao. Ity fiaramanidina ity moa, araka ny fantatra dia nitondra olona avy aty an-drenivohitra handeha ho any Paris. Teo anatrehann'y loza niseho anefa dia nofohanana ny sidina ho any amin'ny renivohitra frantsay. Rehefa niraikitra tao anaty fotaka ity foramanaidina ity dia tsy afaka nihetsika intsony. Ratsy dia ratsy ny andro any an-toerana vokatry ny orana be.

Araka ny vaovao voaray ihany, kinga tokoa ny mpanamory ka voasoroka avy hatrany loza. Tsy nisy ny aina nafoy na koa ny naratra. Araka ny fitenenana, ny tahotra ny betsaka ho an'ireo mpandeha; Na izany aza naefa dia tsy nisy fiaramanidina nomena alalana intsony handray fiaingana avy ao Nosi-Be omaly, nofohanana araka izany ny sidina tokony ho any Paris, mandalo Moroni.

No comments: