Friday, January 05, 2007

Kabary de Ravalomanana du 5 janvier 2007

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Zava-dehibe loatra amintsika nyAsaramanitra toy izao, ahafahantsika mihaona, mifampirary soa, mifampiarahaba, ary indrindra indrindra ahafahantsika mihaino ny zava-misy, indrindra amin'ity taona 2007 ity. Nanarahantsika iny taona 2006 iny ary koa namaranana ny dimy taona izay niasana niaraka tamin'ireo mpiara-miasa.Koa hafa no ho ny hafa tokoa ity fihaonantsika androany ity satria hilazana amin'ny Vahoaka Malagasy rehetra sy ireo mpiaramiombonantoka amintsika, ny zavatra natao sy vita ary ny zavatra mbola irina ao anatin'ny dimy taona manaraka indray.


Ka hoy aho aminareo hoe : fotoan-dehibe no hihaonantsika toy izao ka tsy hitako, tsy hitantsika izay tsy mahamety azy. Fa samy manana ny fisainany moa ny sasany. Ao ny sasany, tsy dia mety aminy loatra nefa aleo izy ho any. Fa ny antsika dia mety ary hitohy hiara-hiasa.


Nanohina ny saiko loatra ny naheno ny tenin'Andriamatoa Sekretera jeneralin'ny "Présidence". Tsy niteny ahy izy hoe hiteny ny momba anao aho na ny momba ny fiasantsika. Misaotra ry SGP fa mazava, fa dia mazava fa tena misy ampahany voalazany ny fomba fiainanay, ao an-tokantranonay ao, ary misy zavatra voatanany, araka ny filazany azy teo, ny zavatra izay tokony tanany. Ohatra toy ny zavatra "Urgent" sy ny "important". Milaza amin'izy ireo matetika mantsy aho, fa raha mbola ny olona no mitantana ny fotoanany, 80% ny "urgence", dia olona maika lava, olona tsy mijery, tsy mitsinjo ny ho avy fa dia maika daholo. Dia manao "tip top" etsy sy eroa.


Fa raha ohatra kosa ny olona no mitantana ny fotoanany, 80% mieritreritra ny "Importance", dia mijery ny "avenir"-n'ny Fireneny, ny tokantranony, ao anatin'ny 30, na 35 taona ho avy.
Tamin'ny voalohany dia nametraka mazava aho hoe : ny maika amin'ity aloha izao dia ny manao ny lalana. Faharoa, maika koa ny manao ny "Education". Fahatelo, manao ny "agriculture", ny "développement rural", izay vao mandeha ny "santé". Manazava satria nahoana ? Aiza no handehanana mankany amin'ny "santé" raha tsy misy ny lalana ? Aiza no ahafahanao mampianatra ny ankizy raha tsy misy ny lalana ? Ka izany no anaovana hoe : misy fahasamihafana amin'ny fomba fitantanana.


Manaraka izany koa, dia tsy haiko ny tsy hilaza etoana ny fahasahiana sy ny finoana. Omaly dia omaly, izy ireo nilaza hoe : sao dia tokony ahemotra Président ? Zavatra efa nokendrentsika, izay efa noheverintsika hatramin'ny volana desambra fa ny 5 janoary hanaovaontsika ny "présentation de voeux". Tsy maintsy hataontsika amin'io hoy aho fa ho tsara ny andro rahampitso. Manao ahoana ny andro androany ?


Ny Voalohanteniko ry Hava-malala, ry Malagasy rehetra tsy vakivolo, isika rehetra tonga eto, na vahiny na tera-tany, misaotra an'Andriamanitra lehibe dia lehibe, fa tena mihaino vavaka Andriamanitra. Mitahy an'ity Firenena ity Andriamanitra. Misaotra anareo efatra mirahalahy mitondra am-bavaka izao fotoana izao. Ny finoana ihany no zava-dehibe. Io finoana io mahafindra tendrombohitra rehefa tena matanjaka. Rehefa mino isika fa tafitantsika ity Firenena ity dia tafitantsika ity. Ingahy "Doyen" aza teo nino fa ho vitany hatramin'ny farany ny teny gasy. Dia vitany.


Tompokolahy sy Tompokovavy,

Andriamatoa Doyen,

Nanohina ahy tokoa ny teny fiarahabana sy firariantsoa nentinao ho ahy teo, ho an'ny vady aman-janako, ho an'ny ankohonako, izay nataonao tamin'ny teny Malagasy ary nataonao tamin'ny anaranao sy tamin'ny anaran'ireo masoivoho izay miasa eto Madagasikara. Mankasitraka feno sy misaotra anao aho amin'izany.

Izaho koa dia miarahaba sy mirary soa anareo tsirairay avy amin'izao Asaramanitra izao. Ataovy tonga any amin'ny fianakavianareo tsirairay avy izany firariantsoa izany. Ampitao koa amin'ny Filoham-pirenena, sy ny Fitondram-panjakana sy ny vahoaka ary ireo tomponandraikitra amin'ireo fikambanana izay soloinareo tena.

Miarahaba sy mirary soa ny Vahoaka Malagasy rehetra tsy vakivolo manerana ny Nosy koa ny tenako. Miarahaba sy mirary soa koa anareo rehetra izay tsy manatrika eto fa manitrika izao lanonana izao amin'ny alalan'ny fahitalavitra sy ny haino aman-jery.

Isika izao no nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka, nahatomombana izao lanonana atrehantsika eto Iavoloha izao. Ianareo tonga eto izao no solontenan'ireo vahoaka marobe nahatongavana amin'izao lanonana androany izao ka tonga mamangy sy manome hasina ho an'ny Raiamandreny mpitondra ka dia isaorana eram-po, eran-tsaina.


Nandray anjara tamin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ianareo rehetra tao anatin'izay dimy taona lasa izay. Tao ianareo mpanatanteraka izay notarihan'Andriamatoa Praiministra, izay nanao famelabelarana ny zava-bita, zava-nisy ary niainana izay. Tao ianareo mpamolavola sy mpanao ny lalàna, toy ny "députés" ary ianareo loholona. Betsaka ny asa sy ny andraikitra izay nataonareo. Ary indrindra indrindra koa, ianareo ao amin'ny Fitsaràna avo momba ny Lalàm-panorenana, ary tsy hadino ihany koa, ianareo izay mpiara-miasa ato amin'ny "Présidence". Betsaka ary maro ny fotoana izay nanahirana sy nanano-sarotra, fa voadingantsika avokoa ireny. Araka ilay teny teo, ny vahaolana tsy natao anankiray, fa ny olana tsy maintsy misy matoa mahafantatra hoe misy vahaolana. Fa ny vidiny no samihafa. Matoa ianao milaza fa misy ny olana, fantatrao izay fa misy ny vahaolana.


Isika rehefa hamaha olana, ary tsy hamerimberina intsony ity resaka fahantrana eto Madagasikara ity, voavahantsika ity, fantatsika ny vahaolana.


Niasa niaraka isika ary niasa mafy nandritra izay dimy taona izay. Satria nanangana ny fototra, namolavola izay paikady rehetra, ary satria indrindra indrindra, nisy fotoan-tsarotra izay nodiavina teny ampiandohana, ka dia misaotra, mankasitraka fa tonga amin'ity taona 2007 ity isika izay handraisantsika ny taona vaovao ary koa hanombohana ny dimy taona manaraka indray. Koa dia mamporisika anareo aho, aza matahotra fa tsy maintsy hotafitantsika ity.


Mitodika aminareo mpiaramiombon'antoka aminay izahay. Nihamafy ny fifampatokisana teo amintsika, ary nampitomboinareo noho izany ny fanampianareo. Nataonareo anisan'ny lohalaharana amin'ireo firenena iasanareo i Madagasikara. Nandray anjara betsaka ianareo nanampy an'i Madagasikara tamin'ny fotoan-tsarotra nandalovan'ny firenena. Nandray anjara koa ianareo tamin'ny fanamafisana ny firaisankinam-pirenena. Nanampy an'i Madagasikara ianareo, ka nahatonga an'I Madagasikara amin'izao toerana misy azy izao teo anivon'ireo Firenen-drehetra maneran-tany.

Misaotra anareo izahay satria, na izaho aza dia mahatsiaro ny tenako, toa ireny kapiteny mitarika ekipa ireny ny fiheveran'ny tenako. Ekipa iray lehibe ahitana Malagasy antapitrisany izay manana finiavana hampandroso ity Firenena ity, ary miezaka mafy hahita fahombiazana. Ao anatin'izany ny mpiasam-bahoaka. Ao koa ireo avy amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny fanjakana, ao koa ianareo izay mpiaramiombonantoka. Misaotra anareo izahay ary mankasitraka ny fiaraha-miasa amintsika.

Amin'ny sehatry ny lalao baolina kitra moa, ny ekipa lehibe toy ny an'i Barcelona, na Chelsea sy ny maro hafa dia manana mpilalao hafa toy ny breziliana, alemana, frantsay na afrikana. Ny tanjona dia ny hahita fahombiazana ka tsy ny fiavian'ilay mpilalao akory no zava-dehibe, fa ny baolina maty. Toy izany koa isika eto Madagasikara. Ny fahombiazana no tena zava-dehibe ho antsika, na iza na iza vonona hiasa hiaraka hahatongavana amin'izany fahombiazana izany. Dia arahaba soa, arahaba tsara.

Misaotra ireo firenena sakaizan'i Madagasikara sy ireo fikambanana iraisam-pirenena izay nanampy tamin'ny fanatontosana iny fifidianana iny, indrindra fa ny Vondrona Eropeana sy ny Firenena Mikambana izay nisoloan'ny PNUD tena.

Na dia teo aza ny zava-nitranga tetsy sy teroa, dia afaka nanatontosa tsara ny adidiny sy ny safidiny ny Vahoaka Malagasy, ka naneho ny safidiny an-kahalalahana. Nanamarika avokoa ireo mpanara-maso rehetra, na ny teto an-toerana na ny avy any ivelany, fa safidy demokratika, malalaka sy mangaraharaha no natao teto amintsika.


Ny fiombonambe eoropeana dia nanasokajy antsika ho isan'ny firenena tena mahomby aty Afrika (pays les plus performants). Ny Banky Iraisam-pirenena dia nifidy antsika ho anisan'ireo Firenena hahazo tombontsoa ao anatin'ny fanampiam-pitomboana (processus de scalling up). Ry zareo amerikanina dia manome fanampiana antsika amin'ny alalan'ny MCA ary vao nifidy antsika ao anatin'ny Tetikasan'ny Filoha Bush mikasika ny Ady amin'ny Tazomoka (Inititiative du Président Bush pour la Lutte contre le paludisme). Ambon'izany, ry zareo japoney dia nampiditra antsika ho anisan'ireo firenena hahazo ny ampahany betsaka indrindra amin'ny Fanampiana ho amin'ny fampandrosoana.

Ry zareo Sinoa dia nanapa-kevitra fa hanampy antsika hanangana ilay " centre de conférence internationale ". Mba ahafahan'ireo fivoriambe atao eto Madagasikara. Ao koa ireo Firenena toa an'i Lafrantsa izay nanampy antsika betsaka amin'ny alalan'ny AFD mba hahatonga ny hanatsarana ny tanàna eto Antananarivo sy ny faritra hafa, miampy ireo fanampiany eo anivon'ny Firenena erôpeana. Ao koa ny Alemana izay tonga taty ny Filohany. Noho izany tena azo lazaina fa mitombina tsara ny fifampitokisana misy.

Ireo rehetra ireo dia manome vahana sy manamafy ny fototra iaingantsika amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Tonga izao ny fotoana hampitomboantsika ny hafainganam-pandeha na ny ""vitesse". Isika rehetra dia mahalala ny soridalana dia ny Madagasikara Am-Perinasa na ny MAP izay Drafitra matipaika ho amin'ny Fampandrosoana an'i Madagasikara ao anatin'ny dimy taona manaraka. Drafitra hitondra fanovana ary maharesy lahatra ny mpiaramiombonantoka amintsika.

Isika rehetra eran'ny faritra roa amby roapolo (22) dia nandray anjara tamin'ny fandrafetana ity MAP ity. Programanasan'ny Vahoaka malagasy rehetra ny MAP ary noho izany dia mifehy ny tanjon'ny malagasy tsirairay avy.


Ankehitriny, isika rehetra dia vonona hanomboka hanatanteraka izany Drafitra izany koa dia samia vonona, alao hery ary.

Ireo mpiaramiombonantoka amintsika iraisam-pirenena koa dia vonona hanohana antsika amin'ny fanatanterahana ny Madagasikara Am-Perinasa. Tamin'ireo toerana sy resaka maro nifanaovana dia nanamafy izany izy ireo ary tsapako ny fientanam-pon'izy ireo fa tena te-hanao dia te-hanao hanampy antsika. Saingy kosa miandry antsika izy aloha, mba hihetsika, hahalala tsara ny zavatra tena ilaintsika. Koa dia tsapa àry, fa hitan'izy ireo fa manana paikady lehibe Madagasikara. Ka dia faly izy ireo hiasa hiaraka amintsika.

Tompokolahy sy tompokovavy

Ny fitohizana na ny "continuité", ny fahamarinan-toerana na ny "stabilité", ny "sécurité" izay misy eto amintsika, na ny fandriampahalemana. Ny firaisam-pirenena, ny tetikasa mazava voalaza ao amin'ny MAP, ny fitokisan'ny Fikambanambe Mikambana an'i Madagasikara dia fototra tsara iaingana ahafahana mampandroso an'i Madagasikara. Ary tsapako, tsapanao, tsapantsika rehetra, ny fisian'izany eto Madagasikara.

Manomboka amin'ity taona ity àry, dia hihetsika sy hiasa amin'ny fomba haingana isika. Afaka andro vitsivitsy dia ho voafaritra mazava ny paikady rehetra izay hitondran'ny Governemanta ny Politique Générale de l'Etat 2007. Ny ankamaroan'ny Minisitera dia efa nanolotra soson-kevitra. Ho hitantsika fa ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana 2007, ny mandray anjara amin'ny fanatanterahana ny MAP, dia ireo tanjona sy maridrefy izay efa voalaza ao amin'ny MAP. Ohatra:

- tombon'ny harinkarena mihoatra noho ny 6%. " La croissance économique plus de 6% "
- "L'inflation en dessous de 10% "
- "Le taux d'investissement plus de 22%"
- "Le taux de déficit budgétaire en dessous de 4,4%"
- "La pression fiscale plus de 11 %"

Ny zava-dehibe hoy aho aminareo, ny fahalalantsika ny zava-misy. Ny laharampahamehan'ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana izany, dia tsy inona tsy akory fa ny fanatsarana ny fari-piainan'ny Vahoaka Malagasy. Miandry dia miandry dia miandry ireo Vahoaka Malagasy maro an'isa eto Madagasikara mba hisian'izany fanatsarana ny fari-piainany izany. Maro ireo toerana notsidihinay mihoatra ny 57%, mihoatra ny 17 000km ny lalana naleha, 127 no isan'ny ora nanidinana teny ambonin'ny helikoptera. Betsaka ireo olona nifanerasera taminay tamin'izany. Tamin'izany no nahitana taorianan'ny voka-pifidianana ny safidiny sy ny hetahetany, ary ny fihetsika sy ny fomba fanaon'ireo Vahoaka ireo aho. Mahalala, mahay, mahavita, ny hampandrosoana ireo Malagasy ireo aho. Satria ao ny efa vonona ny tonga dia hiainga. Ao ny mbola misalasala fa na dia vita tsara aza ny làlana, mbola misalasala izy. Ao ny sasany na dia tsy mbola nanaovana na inona na inona akory, dia efa vonona fa hihetsika. Koa dia hoy aho aminareo hoe: hanao isika.

- Ny fanovana ny fitantanam-bolam-panjakana no tsy maintsy hataontsika ho voalohany amin'izany mba hisy fiantraikany voalohany amin'ny fanatsarana ny fianan'ny isan-tokantrano
- Ny fampitomboana ny fampiasam-bola avy eto an-toerana sy avy any ivelany na ny " investissement".
- Ny fanombohana ny dingana maitso lehibe na "révolution verte"
- Ny fametrahana rafitra vaovao momba ny fandriampahalemana. Tsy maintsy hataontsika ho laharam-pahamehana izy io, mba tsy hiraviravy tanana ny maro an'isa any ambanivohitra. Tsy maintsy hataontsika io.
- Ny fandraisana ireo fepetra maika mikasika ny fahasalamana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Indrindra indrindra ho an'ireo tena sahirana. Ary tsy maintsy hapetratsika ny lalàna sy izay fomba rehetra mba hilazana ireo sasany fa rehefa naterakao ilay ankizy dia tsy maintsy hiantohanao. Misy dia misy ary niresaka tamiko mivantana ireo olona ireo. "Aiza ny dadany". "Lasa any izy". "Firy ny zanakao?". "Valo, enina". Manomboka izao dia samy hihevitra isika, samy hisaina isika mianakavy. Lazaiko ampahibemaso eto fa tsy maintsy hofantarina amin'ny alalan'ny reniny na amin'ny alalan'ny ADN ny rain'io zaza io. Koa, zavatra tsy maintsy hataontsika voalohany indrindra izay, mba ahafahana mitsinjo sy manatsara ny fari-piainana sy ny ankizy. Indrindra indrindra ireo ankizy any amin'ireo faritra tena sahirana dia sahirana. Ary tsy misy afa-miala intsony fa tena hatao lalàna velona eto Madagasikara, hoy aho, aminareo. Koa dia milaza ampahibemaso eto aho ho ren-tany ren-danitra, fa raha nisy tsy nety tany aloha, na nisy ny fomba tsy nety, ahitsio, ovay, fa tsy hamelako mihitsy mandritra ny dimy taona raha tsy hitako io.

Koa dia tonga àry ny fotoana hisikinantsika ny fanatanterahana ny asa izay efa nifanarahana tao anatin'ny Madagasikara Am-Perinasa. Koa manomboka izao dia hotsaraina arakaraka ny asa vitany na ny Minisitra, na ny Sekretera Jeneraly, ny "Directeur Général" ary ireo mpiara-miasa aminy, mba ahafahan'izy ireo manana risipo sy ahafahan'izy ireo miezaka araka izay azony atao amin'ny toerana misy azy.


Hampifandraisintsika bebe kokoa amin'ny rafitry ny fampandrosoana ny Kaominina sy ny Faritra. Ny fenitra fampandrosoana andrandraintsika dia ho tratra raha miara-mientana isika mianakavy. Koa dia miantso ary misokatra amin'ny olona rehetra, na inona firehan-keviny, na inona politika ananany, na inona fiaviany, na avy aiza na avy aiza, ho fampandrosoana an'i Madagasikara.

Isika izay efa mihevitra fa efa ao anatiny sy efa miasa miaraka : Misaotra betsaka nandritra izay dimy taona izay. Fa miova ny politika manomboka izao. Hiasa Hiaraka amin'ny olon-drehetra. "Isika jiaby hiasa miaraka hampandroso an'i Madagasikara".

Mazava dia mazava ny iraka na ny "mission" ataontsika: ny fanatsarana ny fari-piainan'ny Malagasy ary ny hametrahana an'i Madagasikara amin'ny toerana maha-izy azy.

Ry Vahoaka Malagasy, tsy misy hafa akory isika fa iray ihany. Ary iray izay niavaka tamin'izao tontolo izao, dia ny fitenintsika, ny maha-antsika antsika dia ny soatoavina malagasy. Koa aza ilay endrik'ilay olona intsony, na ny fiaviany, na ny politika niaviany no jerena, fa ilay olana vahana jerena, mba ho voavaha.

Koa hoy aho aminareo, amin'ity taona ity dia homentsika asa bebe kokoa, ahefany bebe kokoa, andraikitra bebe kokoa ary ho ampiana bebe kokoa, ny Kaominina sy ny Faritra. Ary hampitomboina araka izany ny fitaovana, ny vola, ary mba ahafahany manatanteraka ny asany. Hojerena izay fitadiavam-bola avy any ivelany hanatanterahany ny asany.

Tompokovavy sy Tompokolahy,

Fanamby napetratsika ny hanatanterahana ny tetikasa sy ny fanatanterahana ny tanjona voarakitra ao amin'ny MAP ary ho vitantsika ara-potoana izany. Izany anefa dia mitaky enti-manana maro dia maro. Ho voaangontsika ve ireo rehetra ireo? Ho voaangona ireo. Hanambatra ny herintsika isika ary hiara-misalahy amin'ireo mpiaramiombonantoka amintsika. Manantena aho fa ireo mpiaramiombonantoka amintsika dia hampitombo farafaharatsiny hanondrotra avo roa heny arak'izay fanekena natao ny fanampiana izay nataony amintsika. Tokony hitady mpiara-miombonantoka vaovao koa isika manerana izao tontolo izao.

Ao anatin'ny herinandro vitsivitsy dia hanomboka ny fitetezana an'i Eropa, Amerika, Azia sy Australie, mba ahafahantsika mahafantatra ireo olona te-hanampy sy vonona hanampy amin'ny lafiny maro aty Madagasikara. Fantatro ary hitako, ary miasa sy mifankahazo amiko ireo olona ireo. Koa izany no ilazana hoe tsy maintsy hataontsika ao anatin'ny fotoana fohy.

Fa isika kosa aloha, ao anatin'ny herinandro vitsivitsy na andro vitsivitsy, dia tsy maintsy midina eny an-toerana. Ka ny hanombohana izany dia any Itasy, mba hanatanterahantsika ilay laharam-pahamehana sy ny tena mahamaika azy. Nahoana no Itasy? Voalohany izy amin'ny rehetra. Azonareo no tiako resahina.

Mbola maro ny zavatra tokony hatao. Mila antsika ny firenena. Mila ireo Malagasy tsara sitrapo ny firenena. Ny finoana ananantsika dia hahafindrantsika tendrombohitra raha tena mino marina isika.

Tsy maintsy tafita isika. Tsy hanaiky ho voagejan'ny lasa intsony isika. Horaisintsika an-tanana ny hoavin'ity firenena malalantsika ity.

Koa matokia ianareo ry Vahoaka Malagasy !

Andeha hifantoka amin'ny ho avy ! Andeha hampiasa ny harena ananantsika ! Andeha hatambatra ny herintsika ! Andeha hiara-hiasa isika hanatanterahana izany programan'asa voalaza ao amin'ny MAP izany. Ny finoantsika, hoy aho aminareo, dia ahafahantsika manao zavatra lehibe. Hataontsika firenena vaovao i Madagasikara. Ary hapetratsika ny hambopom-pirenena maha-Malagasy antsika.

Koa mamerina ny firariantsoa ho an'ny taona vaovao ho antsika rehetra ny tenako.

Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra !

No comments: