Monday, March 27, 2006

La télévion a pris un taxi....

Gaga ireo mpandalo raha nahita ity lehilahy iray nitomany nigogogogo toy ny zazakely ny zoma tolakandro teo. Nividy fahitalavitra tao amina trano fivarotana lehibe iray teo Analakely ity rangahy ity, ka nanakana fiarakaretsaka hitondra azy. Rehefa vita ny adi-varotra dia nampidirina tao anaty fiara ny entana. Tsy tonga dia niakatra anefa izy, fa mbola niverina tao amin’ilay tranombarotra, naka ireo kojakojan’ity fitaovana vao novidina. Vao dify izy anefa, dia iny lasa nirifatra ilay mpamily sy ny fiarany miaraka amin’ilay fahitalavitra vaovao. Maina ny molotr’ilay niharam-pahavoazana. Tsy nahahetsika akory izy. Ny hany nataony dia nigogogogo ka namerimberina tamin’ireo olona nanatri-maso ny hoe « Maty aho izao, inona no holazaiko amin’ny vadiko ». Raha zohiana dia tsy ilay fahaverezana loatra no nampalahelo azy fa ny tahotra ny ho bedin’ny adefomandriny. Efa tsy dia mahazo vola insony, angamba, itony fiarakaretsaka itony taorian’ny fisondro-bidin’ny solika tao ho ao izay, ka izany no mahatonga ny mpamily sasany ho manao toetra toy izao. « Taxi » lasibatry ny jiolahy foana mantsy no fandre matetika, kanefa tamin’ity indray mitoraka ity dia ilay « taxi » mihitsy indray no jiolahy

No comments: