Friday, March 24, 2006

Il voulait construire à Mada, mais....

Mantasoa
Notafihin'ny andian-jiolahy nirongo fiadiana tao amin'ny hotely nisy azy ity vazaha lahy iray, ny alin'ny talata hifoha alarobia teo. Telolahy tsy nisaron-tava no niditra tao amin'ny efitrano nisy azy. Efa nitsotsotra teo ambony fandriana indrindra ilay vazaha tamin'io. Nosaronan'ireo jiolahy ny lamba ilay vazaha ary notsindroniny ny antsy. Dian'antsy enina, raha ny fanazavana azo, no indray hita teny amin'ny vatany : telo teo amin'ny fony, roa tamin'ny feny ary iray teo amin'ny sandriny. Soa ihany anefa fa tsy nahazo ny toerana saro-pady ireo ka nieren-doza ilay vazaha.
Ny vadin'ity vazaha ity tamin'io fotoana io, izay teratany malagasy avy amin'iny faritra iny, sendra nivoaka namonjy ny efitrano fidiovana. Tao izy no nandre ny vadiny niantso vonjy. Niantso vonjy tamin'ny fokonolona izy. Kanjo izy indray koa avy teo no voatsindron'antsy ary voa teo amin'ny sandriny havanana.
Raha ny fanazavana azo dia ny rahavavim-badin'ity vazaha ity ihany no nanakarama jiolahy nanafika sy hamono an'ilay vazaha. Haka ny vola be teny aminy no notetehin'izy ireo, satria nikasa hanao trano izy mivady ireo amin'izao fandalovany izao.
Saingy nandamoaka ny fanafihana.

No comments: