Thursday, February 23, 2006

Niafara any amponja ny fitiavan'ilay PELAKA

Efa niaraka nandritra ny fotoana naharitraritra ihany izy roalahy ireto. Fiarahana hafakely anefa izany, satria pelaka izy ireto, izany hoe lehilahy samy lehilahy no miray. 28 taona ny iray ary naka tovolahy 21 taona mba hanaovany ny filany. Nisy fotoana anefa very ny fahita lavitra marika Sharp sy ny « balladeur » an’ilay lehilahy 28 taona, ny 4 febroary lasa teo no nahaverezany. Nilazan’ny mpiasa vavin’ity farany ity fa tsy hafa tsy akory ny olona naka izany fa ilay lehilahy miaraka aminy ihany. Eny Ambohimanrina no mipetraka ilay rangahy very entana.

Nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny tenany. Rehefa natao ny fikarohana, hita teny Soanierana eny akaikin’ny paraky ilay televiziona, ny 14 febroary teo, efa misy olona mivarotra. Rehefa notomorona ilay olona dia nanondro izay nanome azy an’io fahitalavitra io ho amidy, izay tsy hafa fa ilay tovolahy misakaiza amin’ilay lehilahy monina eny Ambohimanarina ihany. Rehefa nalaina am-bava ranamana dia nanambara fa tsy nahaloa vola ilay sakaizany ka naliany io televiziona io. Nambarany ihany koa fa roa alina ariary isaky ny firaisana no tokony ho azony, kanefa nisinisy ihany no tsy voaefa tamin’izany.

Nandalo fampanoavana ny 15 febroary ilay nangalatra televiziona ary notanana am-ponja vonjimaika ny androtr’io ihany. Tsy vao ela koa izay no nisy toe-javatra sahala amin’ity nitranga teny Ilafy teny. Nampiantranon’ilay rangahy ilay tovolahy izay nilaza ho sahirana, tsy vitan’izay anefa fa nisy ny firaisana ara-nofo, nisy tambiny anefa izany. Asa aloha na tsy nahafapo ilay tovolahy ny kavina nomena azy fa lasany ihany koa ny rojo volamena. Taitra ilay nampiantrano raha nahatsikaritra ny fahaverezan’ny rojony ka nametraka fitoriana. Niafara teny amin’ny tribonaly ny raharaha.

No comments: